Fôsfaty

Avy amin'i Wikipedia
Kisary maneho ny firafitry ny iônan' ny fôsfaty.

Ny fôsfaty dia taharo, karazana sira, azo avy amin' ny asidra fôsfôrika H3PO4 amin' ny fahaverezana na fanoloana ny hidirôzenina iray na maromaro, amin' ny alalan’ ny atôma hafa na vondron’ atôma. Ny fôsfaty dia ampiasaina amin' ny fanamboarana zezika simika sasany, fanamboarana akora fanasan-damba, fanamboarana akora enti-miady amin’ ny harefesina na fanamboarana taharon-tsakafo.