Britaina Lehibe

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' i Britaina Lehibe

I Britaina Lehibe dia nosy ao amin' ny ranomasina avaratra-andrefan' i Eorôpa tanibe. Ny ankabeazan' ny tanin' ny Fanjakana Mitambatra (anglisy United Kingdom) dia ao amin' ny nosy Britaina Lehibe. Io anarana io koa dia manambatra an' i Angletera sy i Kambria sy i Ekôsy ary ny ankamaroan' ny fari-tany amin' ny nosy maro mifanolotra aminy afa-tsy ny nosy Man sy ireo nosy Anglô-Nôrmanda.

Amin' ny teny anglisy dia atao hoe Great Britain na Britain fotsiny izy, fa amin' ny teny galoà dia Prydain Fawr, Great Breetain amin' ny teny skôtisy, Breten Veur amin' ny teny kôrnika, Breatainn Mhòr amin' ny teny gaelika, ary Grande Bretagne amin' ny teny frantsay. Ao amin' ny fihaonan' ny Ranomasimbe Atlantika sy ny Ranomasina Avaratra no misy azy, manelanelana azy amin' i Irlandy ny Ranomasin' i Irlandy, ary amin' ny kôntinenenta ny Ranomasina Mache (na Lakandranon' i Angletera). Izy no nosy lehibe indrindra sady be mponina indrindra ao amin' ny kôntinentan' i Eorôpa.