Moroni

Avy amin'i Wikipedia
I Moroni

I Moroni dia tanàna any Kômôro, izay renivohiny sady renivohitry ny prefektioran' i Moroni-Bambao, eo amin' ny nosy Ngazidja (na Kômôro Lehibe), misy mponina miisa 111 329 tamin' ny taona 2016.

Misy seranan-tsambo ny ao Moroni, izay ahafahan' ny sambo miatsona avy amin' ireo nosy hafa ao amin' ny tangoronosy kômôriana, sy avy aty Madagasikara na avy ao Afrika. Tsy lalina anefa ny rano ao amin' io seranana, tsy tahaka ny an' i Mutsamudu ao amin' ny nosy Nzwani. Noho izany dia avy amin' ity seranan' i Mutsamudu io no amatrahan' ny sambo lehibe ny entambarotra vao izay traterina amin' ny alalan' ny fitaterana tsy miala lavitra ny morontsiraka hatrany Moroni. Ahitana vakin-tanàna maro i Moroni, ka isan' izany i Badjanani, Mtsangani, Iroungoudjani, Magoudjou, Zilmadjou, Caltex, Hankounou, Coulée, sns.

Ny tendrombohitra Karthala

Ao amin' ny fototry ny tendrombohitra Karthala, 10 km mianavaratra-adrefana avy eo amin' ny lavak' ilay afotroa, no misy an' i Moroni.