Karthala

Avy amin'i Wikipedia
Ny lavak' afotroan' i Karthala

I Kathala na Kartala na Kartola dia tendrombohitra misy afotroa any amin' ny nosy Ngazidja ao Kômôro. Atao hoe القرطالة / Al Qirtālah, izy amin' ny teny arabo. Nisy fipoahana miisa roapolo io afotroa nandritra ny taonjato faha-19 sy faha-20, niteraka korian-dranon' afotroa izay nahatratra ny ranomasina sady niteraka farihin-dranon' afotroa tao amin' ny lavaky ny afotroa ny fipoahana farany. Mahatratra 2 361 m ny haambon' ity tendrombohitra ity. Nitranga tamin' ny taona 2005 sy 2006 ny fipoahany farany.