Hankany amin'ny vontoatiny

Saonjo

Avy amin'i Wikipedia
Saonjo
tanin-tsaonjo

Ny saonjo na sahôgno (any avaratry ny Nosy) dia zavamaniry misy vodiny azo hanina izay maniry sy volena amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany, ao amin' ny fianakaviana Araceae, zana-pianakaviana Aroideae. Colocasia esculenta ny anarany ara-tsiansa.

Ny vodisaonjo dia miendrika varingarina na kitsoloha, mifono hoditra mafy, sahala amin' ny an' ny mangahazo. Sakafo mahavelona any Afrika sy Ôseania ary any Azia Atsimo ny saonjo, indrindra ny vodiny.

Azo hanina atao laoka koa ny taho sy ny ravin-tsaonjo (agnan-tsaôgno), tena matsiro kanefa mila ketrehina fotoana maharitra. Mampalailay vava ny mihinana ny vodiny na ny raviny na ny tahony raha mbola tsy nahandroina.

Vodisaonjo

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]