Ahmed Abdallah Mohamed Sambi

Avy amin'i Wikipedia
Ahmed Abdallah Mohamed Sambi

I Ahmed Abdallah Mohamed Sambi dia teôlôjiana mozilmana sy mpanao pôlitika kômôriana ary filohan' i Kômôro teo aloha, teraka tamin' ny 5 Jona 1958 tao Mutsamudu (ao Kômôro). Antsoina hoe "Ayatollah" izy. Taorian' ny fandreseny mora tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny 14 May 2006 izay nahazoany 58,02 % amin' ny vato dia napetraka ho filohan' ny Firaisan' i Kômôro izy tamin' ny 26 Mey 2006. Io no famindram-pahefana am-pilaminana voalohany teo amin' ny tantaran' i Kômôro.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]