Azia Atsimo-Atsinanana
Ny Azia Atsimo-Atsinanana dia ny faritr' i Azia any atsinanan'i India ary any atsimon' i Sina. Ireo firenena izay lazaina fa ao Azia Atsimo-Atsinanana dia i Myanmara, Tailandy, Malaizia, Indonezia, Filipina, Vietnam, Laôsa, Brunei Darussalam ary Kambodia. Ao amin' i Azia Atsimo-Atsinanana ihany koa i Singapaoro, na dia tsindrindray izy voasokajy ho firenen'ny Aziatika tatsinanana, noho ny kolontsainy izay anjakan' ny kolontsaina sinoa.
Jeografia[hanova | hanova ny fango]
Ny velarantany manontolon'i Azia Atsimo Atsinanana dia eo amin'ny efatra tapitrisa kilometatra toradroa. Ny isam-poniny dia 593 tapitrisa mponina. Iray ampahaenin'ny mponina ao Azia Atsimo Atsinanana no miaina ao amin'ny nosy Java, any Indonezia, izay nosy manana hakitroky ny mponina avo indrindra eto an-tany.
Sinoa telopolo tapitrisa ihany koa no miaina ao Azia Atsimo Atsinanana, indrindra indrindra any Indonezia, any Malaizia, any Singapaoro ary any Vietnam.