Malezia

Avy amin'i Wikipedia
Sainam-pirenen' i Malezia

I Malezia dia firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana, izay manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasin' i Sina Atsimo sy ao amin’ ny Andilan-dranomasin' i Malacca. Fanjakana federaly izy, izay ahitana faritany mizaka tena 13. Zarain' ny Ranomasin' i Sina Atsimo ho faritra roa lehibe i Malezia. Eo amin' ny Saikanosy Maley ny renitaniny. Manoloana ny Andilan-dranomasin' i Malacca ao andrefany izy io ary ao amin' ny Ranomasin’ i Sina Atsimo ny morontsiraka atsinanany. I Kuala Lumpur izay eo amin’ ny renitany eo amin’ ny Saikanosy Maley, no renivohitra. Vao nafindra ho ao Putrajaya ny renivohitra federaly, izay tanàna vao noforonina ary natao manokana ho an’ ny fitantanana.

I Malezia eo anivon' izao tontolo izao

I Malezia dia fitambaran’ i Malezia Andrefana, izay ampahany amin’ ny Saikanosin' i Malacca, sy i Malezia Atsinanana, izay ampahany amin’ ny nosin’ i Borneo.

I Malezia Andrefana dia manana vohon-tany be tendrombohitra ahitana tandavan-tendrombohitra miisa valo. Manana morontsiraka mirefy 5 000 km ity ampahan’ i Malezia ity.

I Malezia Atsinanana kosa dia anjakan’ ny tendrombohitra, ka ny tendro avo indrindra amin’ izany, i Kinabalu izay mirefy 4 101 m, dia ao amin’ io faritra io no misy azy, izay sady tampona avo indrindra any Azia Atsimo.

I Malezia dia manana toetanim-pehibe mando, ka ny sala-maripana amin' izany dia miovaova eo anelanelan' ny 26 °C sy 27 °C. Betsaka dia betsaka ny rotsak' orana sady misy mandavan-taona. Ny antsasa-manilan’ ny tanin’ i Malezia dia rakotra ala. Be dia be ny karazan-javamaniry hita any, izay mahatratra 8 000 any ho any. Maro dia maro ihany koa ny karazam-biby amam-borona.

Sarin-tanin' i Malezia

Isan-karazany ny vahoaka any Malezia izay ahitana foko maro. Miampy izany dia ahitana ny Sinoa sy Karana koa ny any. Tsy mitovy ny fitsinjaràn’ ny mponina manerana ny tanin’ i Malezia. Mihoatra ny 80 %n’ ny mponina no ao Malezia Andrefana fa ny sisa kosa dia ao Malezia Atsinanana. Betsaka zaza sy tanora ny any Malezia satria mahatratra 40 % ny latsaky ny 15 taona. Ny silamo no fivavahana ôfisialy any, nefa afaka mitazona ny finoany avy ireo tsy silamo. Ny Mozilmana no maro anisa indrindra any, nefa hita any koa ny bodisma sy ny taôisma ary ny hindoisma.

Mahatratra 130 ny isan' ny fiteny tenenina ao Malezia: 94 ao amin' ny faritra malein' i Bôrneô ary 40 ao amin' ny saikanosy. Ny fieny malay no fiteny ôfisialy fa miasa matetika ny fiteny anglisy amin' ny fanabeazana sy ny raharaham-barotra.

Tamin' ny taompolo 1970 dia niala amin' ny maha firenena an-dalam-pandrosoana azy i Malezia ka niroso ho anisan' ny firenena mandroso. Anisan' ny firenena manompana ny toekareny amin' ny taozava-baventy ao Azia Atsimo-Atsinanana i Malezia. Mandroso ny seha-pamokarana hafa toy ny fizahàn-tany sy ny fifanakalozana ary ny fampindramam-bola. Mandroso koa ny fambolena.

I Malezia dia fanjakà-mpanjaka ara-dalàm-panorenana, izay entin' ny Antenimiera sy ny piraiminisitra.

Fiteny any Malezia[hanova | hanova ny fango]

Manodidina ny 130 ny isan' ny fiteny ao Malezia ka ny 94 ao amin' ny faritra malein' ny nosy Bôrneô ary ny 40 ao amin' ny saikanosy.

Ny fiteny maley[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny maley dia fiteny aostrônezianina izay fitenim-pirenena any Maleizia (sy any Indônezia ary any Broney koa). Ny fiteny maley dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny aostrônezianina (izay ahitana ny fiteny tagalôga sy ny fiteny malagasy koa, ohatra). Mampiasa ny abidy latina (rumi) ny fiteny malay ankehitriny, na dia mbola miasa koa aza ny abidy arabo (jawi), abidy ôfisialin' i Malezia sy an' i Singaporo ary an' i Indônezia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.