Ômàna

Avy amin'i Wikipedia
سلطنة عُمان ((ar))
Repoblikan' i Ômàna ((mg))
Sain' i Ômàna Emblem of Oman
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny ofisialy Araba
Renivohitra Masqat
20°37′N 56°30′E
Tanàna lehibe indrindra Masqat
Fitondrana sy governemanta
 -
Repoblika
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 70
309500 km²
0
Isam-ponina
 - Tontaliny (2015)
 - hakitroka
faha 126
4 298 320 mpo.
12,3 mpo./km²


Anaran'ny mponina Ômàniana
Sandam-bola Rial (OMR)
Faritr'ora UTC
Hiram-pirenena '
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
++968

I Ômàna dia firenena ao Atsinanana Akaiky, any Azia, ao amin’ ny tapany atsimo amin’ ny Saikanosin' i Arabia sady manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasin' i Arabia. I Muscat no renivohiny. Ny renivohiny no tanàna lehibe indrindra. Mirefy 309 501 km2 ny velarany ary miisa 3 869 873 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny 2013. Ny faritr' ora dia +4. Ahitana tany lemaka amorontsiraka sy tandavan-tendrombohitra ary lembalemba anaty tany ny vohon-tanin’ i Ômàna. Tany efitra ny ampahany be amin’ io firenena io. Ny tany lemaka amorontsiraka etiety, izay hita manamorona ny Hoalan' i Ômàna (ao andrefana), dia voahodidin’ ny tangoron-tendrombohitra Hajar (izay manana haambo 2 500 m ao amin' i Djbel Akhdar). Ery ampitan’ ilay tangoron-tendrombohitra no ahitana ny tany efitra be fasik' i Wahiba sy ny tany efitra lehibe Ar Rub‘ al Khali; ity tany efitra ity no sisintany (mihoatra ny 800 km) manelanelana an’ i Ômana amin’ i Arabia Saodita. Ao amin’ ny ampahany be amin’ io firenena io dia mafana sady maina ny toetany.

Sarin-tanin' i Ômàna ao amin' ny Saikanosin' i Arabia

Ambany ny hakitroky ny mponina (olona 14 isaky ny km2). Maro ny mpila ravinahitra avy any ivelany tonga miasa ao, avy any amin’ ny Zana-kôntinenta Indiana sy avy ao Afrika Atsinanana. Ny ankabeazan’ ny Ômaney dia mozilmàna; nefa noho ny fisian' ny vahoaka indiana dia manaraka ny hindoisma ny manodidina ny 15 % amin’ ny mponina.

Sahala amin’ ny firenena hafa rehetra ao amin’ ny Hoala Persika i Ômàna, izay manana toekarena miompana amin’ ny fitrandrahana solitany. Ananany koa ny etona voajanahary na dia tsy tena voatrandraka aza izany.

Soltanata i Ômàna, izany hoe ny soltana no mitondra ny firenena, miaraka amin’ ny filan-kevitra ahitana mpikambana avy amin’ ireo fokom-pirenana ao amin’ ilay firenena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Lohahevitra hafa

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.