Repoblika

Ny repoblika dia endrika fitondram-panjakana tsy manana mpanjaka ho mpitondra ny firenena, fomba fandaminana ny firenena ampiasan' ny solontenam-bahoaka ny fahefana, izay amin' ny ankapobeny nofidin' ny olom-pirenena, ary ny maha filoham-panjakana dia tsy ifandovana ary tsy ny filoham-panjakana irery no mitana ny fahefana.
Avy amin' ny teny latina res publica, izay azo adika ara-bakiteny hoe "raharaham-bahoaka" ny teny hoe repoblika.
Ny repoblika dia mifanohitra amin' ny fanjakana lovaina, saingy tsy midika foana hoe demôkrasia ny repoblika. Ny repoblika dia tokony tsy afangaro amin' ny demôkrasia: fitondran' ny lalàna ny repoblika fa ny demôkrasia kosa dia fitondran' ny daholobe. Io hevitra faran' ny teny hoe demôkrasia io dia avy amin' ny teny grika hoe demokratía izay ahitana ny hoe demos ("vahoaka") sy ny hoe kratos ("fanjakana", "fitondrana").
Ny repoblika tamin' ny taona 2021, no endri-pitondrana ara-pôlitika miely indrindra eran-tany: amin' ny firenena miisa 197 dia 152 no repoblika.
Ny repoblika amin' ny siansa ara-pôlitika[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny teôria sy amin' ny siansa ara-pôlitika, ny teny hoo repoblika dia mety ilazana endri-panjakana maro.
Ny fototry ny repoblika[hanova | hanova ny fango]

Araka an' i Aristôty, ny fototry ny repoblika dia:
- ny fizaràna ny fahefana (fahefana mpanao lalàna sy fahefana mpitsara ary fahefana mpanatanteraka) sy ny famehezana azy ireo;
- ny fandraisana anjara ara-pôlitika mavitrika avy amin' ny olom-pirenena (izay ilana fampianarana ny siansan-dalàna sy siansa ara-pôlitika);
- ny fahafahana sy ny fitoviana eo anatrehan' ny lalàna.