Nepaly

Avy amin'i Wikipedia
संघीय लोकतान्त्रिक गणतन्त्रात्मक नेपाल
Sanghiya Loktantrik Ganatantratmak Nepāl
Endrika:Ne
{{{nom_malgache}}} ((mg))
Sainan'i Nepaly
(Antsipirihany)
Teny filamatra : जननी जन्मभूमिष्च स्वर्गादपि गरियसि
Ja'nani Jan'mabhumis'hcha Swar'gadapi Gariya'si'
Teny ofisialy fiteny Nepaley
Renivohitra Katmandu
27°42′N, 85°19′E
Tanàna ngeza indrindra Katmandu
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
 - filoha faharoa
 - praiministra
Repoblika federaly
Bidhya Devi Bhandari (विद्यादेवी भण्डारी)
Nanda Kishor Pun (नन्दबहादुर पुन)
Sher Bahadur Deuba (शेरबहादुर देउवा)
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 93
147 181 km²
2,8%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 40
29 519 114 mpo.
197 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Nepaley
Sandam-bola Ropia nepaley (NPR)
Faritr'ora UTC +5h45
Hiram-pirenena Sayaun Thunga Phool Ka
(Vony zato)
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+977

I Nepaly (amin'ny fiteny nepaley : नेपाल) na Repoblika Demôkratika Federalin' i Nepaly, dia firenena himalaianina, voaaty, voafaritr' i Sina (faritany mizaka-tenan' i Tibeta) any avaratra, i India any andrefana sy any atsimo ary any atsinanana.

I Nepaly (amin'ny fiteny nepaley : नेपाल) na Repoblika Demôkratika Federalin' i Nepaly, dia firenena himalaianina, voaaty, voafaritr' i Sina (faritany mizaka-tenan' i Tibeta) any avaratra, i India any andrefana sy any atsimo ary any atsinanana.

Na dia kely aza, betsaka ny endriky ny faritra any Nepaly, avy amin' ny toetany trôpikaly any atsimo hatramin' ny tendrombohitra avo indrindra eto an-tany any avaratra. Any Nepaly ny valo amin' ny tendrombohitra folo avo indrindra eto an-tany. Misy ny tendrombohitra Everest (Sagarmatha amin' ny fiteny nepaley) mamaritra ny sisin-tany zarain' i Nepaly amin' i Sina.

Nampalaza azy ny zavatra azony ataony amin' ny fizahantany, ny trekking, ny alpinisma, ny VTT, ny safari, ny rafting sy ny tempoly maro sy ny toerana ivavahana.

Ny renivohitr' i Nepaly dia i Katmandu (ara-pôlitika sy ara-pivavahana) ary izy no tanàna ngeza indrindra any Nepaly. Ny tanàna hafa manam-pianjadiana dia i Pokhara, i Biratnagar, i Lalitpur (Patan), i Bhaktapur, i Birendranagar, i Hetauda, i Butwal, i Bharatpur, i Siddhartanagar (Bhairahawa), i Birganj, i Janakpur, i Nepalganj, i Hetauda, i Dharan, i Dhangadhi, ary i Mahendranagar.

Ny fiteny ôfisialin' i Nepaly dia fiteny nepaley ary ny sandam-bola dia ropia nepaley. Misy foko sy sarangam-poko 60 any Nepaly. Ny sarangam-pokon' ny Chhetri (Kshatriya) dia vondrona maro anisa any Nepaly (15,8 %n' ny mponina). Ny sarangam-pokon' ny Bahun (Brahmana) dia vondrona faharoa any Nepaly (13,3 %n' ny mponina araka ny fanisana tamin' ny 2001). Ny Newar, foko voalohany indrindra nipetraka tao Nepaly dia 5,4 %n' ny mponina ao Nepaly. Ny fitenin' izareo, ny fiteny neoary dia mbola tenenina ao amin' ny lohasahan' i Katmandu. Ny foko hafa mbola misy ao Nepaly dia ny Herpa, ny Tamang, ny Gurung, ny Thakali, ny Kiranti ary ny Magar.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany


Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.