Torkmenistàna

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Torkmenistàna
Sarin-tany maneho an' i Torkmenistàna eo anivon' izao tontolo izao

I Torkmenistàna, na Repoblikan' i Torkmenistàna, dia firenena ao Azia Afovoany manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Kaspiana, eo anelanelan' i Kazakstàna ao avaratra-andrefana, i Ozbekistàna ao avaratra, i Afganistàna ao atsinanana sy atsimo-atsinanana, i Iràna ao atsimo, ary ny Ranomasina Kaspiana ao andrefana. I Achgabat no renivohiny.

Atao hoe Türkmenistan sy Türkmenistan Respublikasy izy amin' ny fiteny torkmena, fa Туркмениста́н, Turkmenistan, na Туркмения, Turkmeniia, ary Республика Туркменистан, Respublika Turkmenistan kosa amin' ny fiteny rosiana.

Ny vohon-tanin’ i Torkmenistàna dia anjakan’ ny dongom-pasika miharo taniditra vokatry ny fikaohan’ ny Efitr' i  Karakum; ao amin’ ny tapany atsimon’ ilay firenena no ahitana ny tandavan-tendrombohitr' i Kopet-Dag. Miantoka ny famatsian-drano an’ ilay firenena ny ony lehibe roa Amu-Daria sy Murgab, izay mivarina any atsimo-atsinanana.

Ny Torkmena no vahoaka maro anisa amin’ ny mponina any Torkmenistàna (75 %). Miteny amin' ny fiteny torkika (ny fiteny torkmena) izy ireo ary manaraka ny fivavahana silamo. Ny Rosiana sy ny Ozbeka koa dia betsaka any. I Torkmenistàna no firenena vitsy mponina indrindra any Azia Afovoany: 10 isaky ny km2 ny hakitroky ny mponina. Monina any ambanivohitra ny ankabeazan’ ny mponina.

Na dia eo aza ny toetaniny maina dia miompana amin’ ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren’ i Torkmenistàna noho ny fisian’ ny fitarihan-drano. Volena any ny landihazo ary ompiana betsaka any ny ondry. Manana harena an-kibon' ny tany betsaka koa i Torkmenistàna, ka isan’ izany ny solitany sy ny etona voajanahary.

Repoblika sôsialista sôvietika taloha (tao amin' ny Firaisana Sôvietika) i Torkmenistàna, izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991. Mpikambana ao amin' ny Fianakaviamben’ ny Fanjakana Mahaleo Tena (Communauté des États Indépendants -- CEI) izy taloha nefa niala tamin' ny taona 2007.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.