Azia Afovoany

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Azia afovoany

I Azia Afovoany dia faritra afovoan'ny kaontinenta aziatika izay mivelatra manodisin'ny ranomasina Kaspiana, ny ranomasin'i Araly ary ny farihy Balkhach. Ny firenena izay lazaina fa ao Azia Afovoany dia ireo firenena aziatika dimy izay manana anarana mifarana amin'ny -stan (Kazakstana, Ozbekistana, Tajikistana, Torkmenistana, Kirgizistana). Raha atambatra ireo firenena dimy ireo dia miisa eo amin'ny 61,5 tapitrisa ny mponina ary 4 tapitrisa km ny velarantany.

Repoblika sosialista sovietika ireo firenen'ny Azia Afovoany ireo talohan'ny taona 1991: i Kazakstana (16 tapitrisa mponina tamin'ny 2009), i Kirgizistana (5,5 tapitrisa), i Tajikistana (7,3 tapitrisa), ary i Ozbekistana (27,6 tapitrisa). Anisan'ny toerana izay lazaina fa ao Azia Afovoany dia i Afganistana, Avaratr'i Irana, Kasimiria, Pakistana avaratra, Mongolia ary tsindraindray koa Xinjiang ary Tibeta any Sina andrefana miaraka amin'ny faritra atsimon'i Siberia.