Kaokazy

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sarin-tanin'i Kaokazy maneho ny fikitoantoanana

I Kaokazy na Kaokazia na Kavkazy na Kavkazia dia faritr'i Eorazia be tendrombohitra izay mitandavana eo amin'ny 1 200 km, avy any amin'ny andilan-dranopmasin'i Kertch (Ranomasina Mainty) ka hatrany amin'ny saikanosin'i Apcheron (Ranomasina Kaspiana).

Amin'ny teny rosiana dia atao hoe Кавказ / Kavkaz i Kaokazy, amin'ny teny jeorjiana dia atao hoe კავკასია / Kawkasia, amin'ny teny armeniana dia atao hoe Կովկաս / Kovkas, amin'ny teny azerbaijaney dia atao hoe Qafqaz, amin'ny teny torka dia atao hoe Kafkas, amin'ny teny persana dia atao hoe قفقاز‎ / Qafqāz.

Mizara roa i Kaokazy ka ny iray atao hoe Kaokazy Atsimo na Transkaokazia, ka mahafaoka an'i Jeorjia, i Armenia, i Azerbaijàna ary ny faritr'i Kars any Torkia, ny faharoa atao hoe Kaokazy Avaratra na Siskaosazia, izay ao Rosia (mahafaoka ny Repoblikan'i Karatsaievo-Tserkesia, ny Repoblikan'i Kabardino-Balkaria, ny Repoblikan'i Osetia Avaratra, ny Repoblikan'i Ingosia, ny Repoblikan'i Tsetsenia ary ny Repoblikan'i Dagestàna). Amin'ny lafiny fitantanana dia mahafaoka ny Repoblikan'i Adigea sy ny Krain'i Stavropoly ary ny Krain'i Krasnodara i Kaokazy Avaratra na Siskaokazia.

Ara-jeografian, araka ny efa mahazatra dia heverina fa i Kaokazy no manasaraka an'i Eoropa ao avaratra amin'i Azia ao atsimo, nefa ny jeografian'i Jeorjia sy ny an'i Armenia dia manao azy ho faritra eorpeana ka mametraka ny sisin'i Eoropa ao Araksa sy amin'ny sisin-tany torka. Raha heverina ho eoropeana i Kaokazy dia izy no tangoron-tendrombohitra avo indrindra ao Eoropa.