Armenia

Avy amin'i Wikipedia
Հայաստանի Հանրապետություն (Armenian)
Repoblikan' i Armenia ((mg))
Sain' i Armenia Emblem of Armenia
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny ofisialy Armeniana (fitenim-panjakana)
Renivohitra Yerevan
40°23′N 44°57′E
Tanàna lehibe indrindra Yerevan
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Praiminisirtra
Repoblika
Vahagn Khachaturyan (Վահագն Խաչատուրյան)
Nikol Pashinyan (Նիկոլ Փաշինյան)
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 138
29 743 km2 km²
4,71
Isam-ponina
 - Tontaliny (2021)
 - hakitroka
faha 137
2 963 900 mpo.
101,5 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Armeniana
Sandam-bola Dram (AMD)
Faritr'ora UTC
Hiram-pirenena '
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+374
Khor Virap

I Armenia na ny Repoblikan' i Armenia dia firenena ao Azia Andrefana, manana velarana mirefy 29 800 km² izy, tsy manana morontsiraka, be tendrombohitra. Tao amin' ny Firaisana Sôvietika taloha i Armenia izay mifanefi-tany amin' i Torkia ao andrefana, amin' i Jeôrjia ao avaratra, amin' i Azerbaijàna ao atsinanana ary amin' i Iràna ao atsimo. Amin' ny teny armeniana dia atao hoe Հայաստան / Hayastan na Հայաստանի Հանրապետություն / Hayastani Hanrapetut’yun i Armenia. I Erevan na Yerevan (armeniana: Երևան / Yerevan) no renivohiny. Nahaleo tena i Armenia tamin' ny taona 1991. Na dia ao amin' ny kôntinentan' i Azia aza i Armenia dia heverina ho isan' i Eorôpa ara-kolontsaina sy ara-tantara ary ara-pôlitika.

Sarin-tanin' i Armenia

Ahitana ny farihy lehibe  Sevan, izay tahirin-drano lehibe, ny ao afovoany. Matetika ianjadian’ ny horohoron-tany i Armenia.

Ny Armeniana no vahoaka maro anisa ao Armenia, manaraka azy ny Azery, izay vahoaka vitsy an’ isa lehibe indrindra. Nandositra manany Azerbaijàna ny Azery taorian’ ny fiantombohan’ ny fifanolanana mitam-piadiana teo amin’ i Armenia sy i Azerbaijàna. Manodidina ny 5 tapitrisa ny Armeniana any am-pielezana, indrindra any amin’ ireo firenana tao amin’ ny Firaisana Sôvietika taloha sy any Etazonia ary any Frantsa. Kristiana ôrtôdôksa ny ankabetsahan’ ny vahoaka any Armenia.

Nianjadian’ ny ady nifanaovany tamin’ ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy (Torkia sy Azerbaijàna), tamin’ ireo taona 1990, ny toekaren’ i Armenenia. Izany no mahatonga an’ ity firenena ity hiankin-doha amin’ ny fanampiana avy any ivelany. Tsy mbola mahantoka ny fahaleovan-tena ara-tsakafon’ io firenena io ny fambolena ao aminy, noho ny tsy fahampian’ ny tany azo volena.

Repoblika tao amin' i Firaisana Sôvietika taloha i Armenia izay lasa firenena mahaleo tena tamin’ ny taona 1991, taorian’ ny faharavan’ ilay firaisana, sady nikambana tao amin’ ny Fiavanakaviamben' ny Firenena Mahaleo Tena (Communauté des États Indépendants  - CEI).

Kolontsaina[hanova | hanova ny fango]

Fiteny ao Armenia[hanova | hanova ny fango]

Fitenin-dreny[hanova | hanova ny fango]

Fiteny Mponina %
Fiteny armeniana 2 956 615 97,94
Fiteny kormanjy 30 973 1,03
Fiteny rosiana 23 484 0,78
Fiteny asiriana 2 402 0,08
Fiteny kiorda 2 030 0,07
Fiteny okrainiana 733 0,02
Fiteny anglisy 491 0,02
Fiteny jeôrjiana 455 0,02
Fiteny persana 397 0,01
Fiteny grika vaovao 332 0,01
Hafa 913 0,03
Tsy namaly 29 0,00
Fitambarany 3 018 854 100,00

Fiteny armeniana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny armeniana, izay fitenin-drenin' ny 98 % amin' ny mponina ao Armenia, no fiteny ôfisialin' i Armenia.

Fiteny rosiana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny rosiana dia fiteny ampiasain' ny olona maro ao Armenia. Matetika miteny rosiana tsara ny Armeniana nampidirina mianatra talohan' ny taona 1991 sy niditra nianatra nandritra ny vanim-potoana sôvietika, tsy maintsy nampianarina any amin' ny sekoly ambaratonga fototra io fiteny io, ary matetika, manomboka amin' ny akanin-jaza.

Fiteny anglisy[hanova | hanova ny fango]

Fiteny ampiasaina ao Armenia koa ny fiteny anglisy. Nivoatra be ny fampiasana azy io taorian' ny taona 1991 sy taorian' ny fahaleovantenan' ilay firenena.

Fivavahana ao Armenia[hanova | hanova ny fango]

Ny Fanjakan' i Armenia no fanjakana voalohany nanaiky sy nandray ny kristianisma ho fivavahana ôfisialy tamin' ny andron' ny mpanjaka Tiridates IV (taona 298-330), izay niova fo, sy ny ampahany amin' ny fianakaviany ary olona sasany tao an-dapa, tamin' ny taona 301, araka ny lovantsofina, vokatry ny fitoriana ny filazantsara nataon' i Gregoriôs Phôstêr (grika: Γρηγόριος Φωστήρ). Mbola misy ihany anefa ny adihevitra momba ny daty marina nanaovana batisa ny fianakavian’ ny mpanjaka.

Araka ny voalazan' ny Pew Research Center tamin' ny taona 2010 dia ny 98,5 %n' ny mponin' i Armenia no kristiana, indrindra fa Apôstôlika (86,7 %). Misy ampahany kely Katôlika (8,7 %) sy Prôtestanta (2,2 %). Tsy manana fivavahana arahina ny 1,3 % amin' ny mponina ary ny 0,2 % dia manaraka fivavahana hafa.

Vahoaka ao Armenia[hanova | hanova ny fango]

Ny Armeniana ara-poko no mandrafitra ny 98,1 % amin' ny mponina. Ny vahoaka iazidy dia 1,2 %, ary Rosiana 0,4 %. Anisan' ny vahoaka vitsy anisa hafa ny Asiriana, ny Okrainiana, ny Grika (matetika antsoina hoe Grikan' i Kaokazy), ny Kiorda, ny Jeôrjiana, ny Belarosiana, ary ny Jiosy. Misy vondrom-piarahamonina kely kokoa ao ny Valàka, ny Môrdviana, ny Ôsetiana, ny Ody, ary ny Taty. Misy ihany koa ny vitsy anisa amin' ny Pôlôney sy Alemanan' i Kaokazy na dia nandray ny kolontsaina rosiana aza izy ireo. Tamin' ny taona 2016 dia tombanana ho 35 000 ny Iazidy any Armenia.

Nandritra ny vanim-potoana sôvietika, ara-tantara dia ny Azerbaijany na Azery no mponina faharoa maro indrindra tao amin' ilay firenena, izay niisa 76 550 tamin' ny taona 1922, ary nahatratra 2,5 % teo ho eo tamin' ny taona 1989. Na izany aza, noho ny ady momba an' i Karabaga Ambony (Nagorno-Karabakh) dia saika nifindra monina avy any Armenia ho any Azerbaijàna izy rehetra. Mifanohitra amin' izany, nahazo mpifindra monina Armeniana mpitsoa-ponenana marobe avy any Azerbaijàna i Armenia, ka nahatonga an' i Armenia hanana mponina ranoray kokoa.

Araka ny fikarohana nataon' i Gallup tamin' ny taona 2017, i Armenia dia iray amin' ireo firenena manana taham-panekena ambony indrindra any Eorôpa Atsinanana raha mifindra monina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Momba an' i Armenia