Karabaga Ambony

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Karabaga Ambony
Toerana misy an' i Karabaga Ambony eto amin' izao tontolo izao

I Karabaga Ambony na Karabaka Ambony na Artsaka (na Repoblikan' i Karabaga na Repoblikan' i Artsaka) dia repoblika nanambara tena ao Transkaozia. Tamin’ ny taona 2015 dia notombanana ho 148 917 ny isan’ ny mponina ary manana velaran-tany mirefy 11 430 km2 izy. I Stepanakert no renivohiny sady tanàna lehibe indrindra ao.

I Karabaga Ambony ao amin' ny faritra misy azy

Amin’ ny teny armeniana dia atao hoe Արցախ, Artsakh na Լեռնային Ղարաբաղ, Leṙnayin Gharabagh izy, fa amin’ ny teny azery kosa dia Dağlıq Qarabağ na Yuxarı Qarabağ ary Dağlıq Qarabağ Respublikası na Yuxarı Qarabağ Respublikası; ary amin’ ny teny rosiana dia Нагорный Карабах, Nagorny Karabakh.

Nandritra ny vanim-potoana nampisy ny Firaisana Sôvietika dia ôblasta mizaka tena i Karabaga (4 388 km2), ka ny maro anisa tao dia ny Armeniana (95 %) nefa teo ambany fahefan’ ny Repoblika Sôsialista Sôvitikan' i Azerbaijàna izay nanodidina azy. Tamin’ ny faharavan’ ny Firaisana Sôvietika dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Karabaga Ambony tamin’ ny 2 Septambra 1991, nefa tsy nisy firenena ao amin’ ny Firenena Mikambana nakato izany, eny fa na dia i Armenia aza. Nijanona ny ady nifanaovan’ i Armenia sy i Azerbaijàna taorian’ ny fitsaharan’ ady nanaovan' i Rosia fanelanelanana tamin’ ny 12 Mey 1994 na dia nisy ihany ny famelezana indraindray, indrindra tamin’ ny Avrily 2016. Nisy faritra maro manodidina naiditra tao amin’ ilay firenena nanambara tena (6 742 km2) teo anelanelan’ ny taona 1991 sy 2020, onenan’ ny Kiorda sy ny Azery izay nafindra toeram-ponenana sady nosoloana tamin’ ireo mpitsoa-ponenana armeniana avy amin’ ny sisa amin’ ny tanin’ i Azerbaijàna taorian’ ny fandripahana tao Soumgait. Taorian’ ny ady tamin’ ny taona 2020 dia nisy fifanarahana fampitsaharana ady nosoniavina tamin’ ny 10 Nôvambra 2020, izay nanesorana ny 3/4n’ ny tany fehezin’ ilay repoblika ary nisy koa ny mponina nafindra fonenana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Ireo firenana ao Eorôpa mbola misy tsy mankato

Abkazia (misy tapany ao Azia) - Karabaga Ambony (misy tapany ao Azia) - Kipra  Avaratra (na Sipra Avaratra) - Kôsôvô - Ôsetia Atsimo - Transnistria