Fiteny rosiana

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
rosy / rosiana
русский язык

Isan'ny mpiteny 144 tapitrisa (L1)
258 tapitrisa (L1+L2)
Faritany Flag of Russia.svg Rosia ary firenena manodidina
Sata teny ofisialin'i Flag of Russia.svg Rosia, Flag of Kazakhstan.svg Kazakstana, Flag of Belarus.svg Belarosia ary Flag of the United Nations.svg Firenena Mitambatra

Ny fiteny rosy (na teny rosiana) dia fiteny silava tenenina eny amin'ny firenen'ny Firaisana Sovietika taloha. Ny fiteny rosy dia manana sata ofisialy any Rosia, Kazakstana, Kirgiszistana, Belarosia. Na dia tsy manana sata ofisialy aza izy, ampiasain'ny firenen'ny Firaisana Sovietika taloha ho fiteny ifandraisana amin'ny vahiny ny fiteny rosy. Araka izany dia isaina eo amin'ny zato tapitrisa eo ho eo ny nianatra ilay fiteny erak'izao tontolo izao. Raha atambatra amin'ny isan'ny olona lehibe tamin'ny fiteny rosy izany dia eo amin'ny 255 tapitrisa eo ho eo ny isan'ny olona miteny rosy. Noho ny hatanjaka ara-tafiky ny Firaisana Sovietika taloha dia anisan'ny teny ofisiain'ny Firenena Mitambatra ny fiteny rosy miaraka amin'ny teny arabo, anglisy, espaniola, frantsay ary sinoa.

Fanononana ary soratra[hanova | hanova ny fango]

Zava-dehibe amin'ny fiteny rosy ny tsindrom-peo, izay miovaova araky ny teny. Miova arak'izany ny fanononana ireo zanapeo : afohezina ny zanapeo tsy manana tsindrim-peo.

Soratana amin'ny alalan'ny abidy sirilika manana litera 33 ny fiteny rosy. Misy fomba roa fanononana ny renifeo: mateza ary malemy.

Tabilaon'ny abidy sirilika ankehitriny
Renisoratra Zanatsoratra Anarana Fanononana
(AAI)
А а a a
Б б be b ~ Endrika:MSAPI
В в ve v ~ Endrika:MSAPI
Г г ge g ~ Endrika:MSAPI
Д д de d ~ Endrika:MSAPI
Е е je Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI
Ё ё jo Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI
Ж ж že ʒ
З з ze z ~ Endrika:MSAPI
И и i i
Й й i fohy
и краткое
j
К к ka k ~ Endrika:MSAPI
Л л el ɫ ~ Endrika:MSAPI
М м em m ~ Endrika:MSAPI
Н н en n ~ Endrika:MSAPI
О о o o
П п pe p ~ Endrika:MSAPI
Р р er r ~ Endrika:MSAPI
С с es s ~ Endrika:MSAPI
Т т te t ~ Endrika:MSAPI
У у u u
Ф ф ef f ~ Endrika:MSAPI
Х х ha x ~ Endrika:MSAPI
Ц ц ce t͡s
Ч ч če Endrika:MSAPI
Ш ш ša ʃ
Щ щ šča Endrika:MSAPI
Ъ ъ mafy
tvjordyj znak (твёрдый знак)
--
Ы ы ɨ
Ь ь malemy
mjagkij znak (мягкий знак)
--
Э э e mivadika
e oborotnoje (э оборотное)
ɛ
Ю ю ju Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI
Я я ja Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI
saritan'ny tany miteny Rosy
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Rosia ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.