Masedônia Avaratra

Avy amin'i Wikipedia
Sainan'i Masedonia
Saritanin' i Masedônia

I Masedônia Avaratra na Makedônia Avaratra dia firenena ao Eorôpa Atsimo, ao amin’ ny Saikanosy Balkanika. I Skopje no renivohiny sady tanàna lehibe indrindra any. Mirefy 25 713 km2 ny velarany ary miisa 1 832 696 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny 2021. Ny faritr' ora dia +1. Atao hoe Repoblika Iogôslavan' i Makedônia Taloha koa izy.

Tendrombohitra sy lohasaha lalina ary havoana no mandrafitra ny vohon-tanin' i Makedônia Avaratra. Tsy manana morontsiraka ity firenena ity. Ny ony Vardar, izay mamakivaky azy avy any avaratra-andrefana mankany atsimo-atsinanana, no hany lalana ahafahany mifandray amin’ i Grisia. Ao amin’ ny faritra misy horohoron-tany matetika no misy an’ i Makedônia Avaratra.

Makedôniana na Masedôniana ny 65 %n’ ny mponina any Makedônia Avaratra, ka ny maro amin’ izy ireo dia Kristiana ôrtôdôksa. Misy Albaney koa, izay manaraka ny fivavahana silamo, ny any. Maro ny vahoaka vitsy anisa monina ao Makdônia Avaratra ka anisan' izany ny Tiorka, ny Rôma ary ny Serba na Serbiana. Ahitana disadisa eo amin’ ireo vahoaka isan-karazany ireo (indrindra eo amin’ ny Albaney sy ny Makedôniana) ao Makedônia Avaratra, sahala amin’ izay hita ao amin’ ireo firenen' ny faritry ny Balkana.

Manana tany midadasina azo volena i Makedônia Avaratra, ary isan-karazany ny zavatra volena any: ny hazo fihinam-boa, ny landihazo, ny legioma, ny paraky, ny voaloboka, ny voamadinika sns. Betsaka koa ny harena an-kibon' ny tany any, indrindra ny akoram-piramainty sy ny arintany ary ny vy.

Tao amin' i Iogôslavia taloha i Makedônia Avaratra izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991. Tamin’ ny taona 1993 vao nankatoavin’ ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany fahaleovan-tena izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.