Hankany amin'ny vontoatiny

Voamadinika

Avy amin'i Wikipedia
Ny varimbazaha dia voamadinika

Ny voamadinika dia zavamaniry toy ny ahitra, fihinam-boa. Anisan' ny fianakaviana Poaceae (na Gramineae). Ny voamadinika fahita indrindra dia ny varimbazaha (Triticum vulgare), ny ôrza (Hordeum), ny ampembambazaha (Sorghum halepense), ny katsaka (Zea mays), ny vary (Oryza sativa), ampemba (Sorghum). Ny voamadinika no miantoka ny ampahany be amin' ny sakafon' ny olombelona eran-tany. Tena misy "siramamy miadam-piasa" (gliosida saro-drafitra) ny voany: anelanelan' ny 60 sy 85 %. Hanina masaka nahandroina mivantana, na nototoina ho lafarinina (vary, ôrza, varimbazaha, sns.) alohan' ny hamadihana azy ho mofo, na paty. Ampiasaina hohanin' ny biby fiompy ny voany sy ny tahony ary ny raviny. Azo ampiasaina amin' ny fanaovana toaka ny voan' ny voamadinika sasany. Ny ankamaroan' ny labiera, ohatra, dia azo avy amin' ny fanotrehana ny ôrza.

Ampemba

Anisan' ny zavamaniry novolen' ny olombelona voalohany ny voamadinika, nandritra ny Neôlitika, 10 000 hatramin' ny 12 000 taona lasa izay. Avy any Azia Minora ny varimbazaha, ny vary avy any Azia sy Afrika; ny katsaka no hany voamadinika teratany any Amerika. Amin' izao fotoana izao dia ambolena manerana izao tontolo izao ny voamadinika rehetra.

Katsaka
Vary

Ao amin' ny fianakaviana Gramineae ny ankamaroan' ny voamadinika. Atsoina amin’ ny anarana siantifika hoe Triticum, ny vondron-karaza' ny varimbazaha, ny ôrza Hordeum ny segla Secale, ny avoanina Avena, ny vary Oryza ary ny katsaka Zea. Ny ampemby sy ny mitovitovy aminy dia mizara ao amin' ny Setatia, ny Eleusine, ny Panicum ary ny Pennisetum, ny Sorghum sy ny Andropogon.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]