Estônia
| | |||||
| Eesti Vabariik ((et)) | |||||
| Repoblikan’ Estonia ((mg)) | |||||
| |||||
| Teny filamatra : Tsy misy | |||||
| Teny ofisialy | Fiteny estonianina | ||||
| Renivohitra | Tallinn 59°26′N 24°45′E / 59.433°N 24.750°E | ||||
| Tanàna ngeza indrindra | Tallinn, Tartu, Narva | ||||
| Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisitra |
Repoblika ara-antenimiera Alar Karis Kristen Michal | ||||
| Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 130 45 226 km² 4,56% | ||||
| Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 149 1 307 605 mpo. 31 mpo./km² {{{1}}} | ||||
| Anaran'ny mponina | Estonianina | ||||
| IDH (2005) | ▲ 0,860 (avo) faha 44 | ||||
| Sandam-bola | Koraona estonianina (kroon)(hampiasa ny Euro amin'ny 2011) (EEK)
| ||||
| Faritr'ora | UTC +2 | ||||
| Hiram-pirenena | Mu isamaa, mu õnn ja rõõm | ||||
| Valan-tsehatra internet | |||||
| Antso an-tariby |
+372
| ||||

I Estônia na ny Repoblikan' i Estônia dia firenena ao Eorôpa Avaratra (na Eorôpa Avaratra-Atsinanana raha ny marina kokoa), isan' ireo atao hoe Firenena Balta na Fanjakana Baltika (miaraka amin’ i Letônia sy i Litoania). Amin' ny fiteny estôniana: dia atao hoe Eesti Vabariik izy. I Tallinn no renivohiny. Mizara sisin-tany amin' i Rosia ao atsinanana sy amin' i Letônia ao atsimo izy. Ao andrefany no misy ny Ranomasina Baltika, izay manasaraka azy amin' i Soeda, fa ny Helodranon' i Finlandy kosa no manasaraka azy amin' i Finlandy ao avaratra. Ny fiteny ôfisialin' i Estônia dia ny fiteny estôniana, izay fiteny nibeazan' ny 69 %n' ny mponina ao amin' io firenena io, sady fitenin' ny 82 %n' ny mponina tompon-tany sy vahiny.
Firenena manana vohon-tany lemaka midadasika i Estônia. Ny 25 %n ny velarany dia farihy sy honahona. Ralotra ala ny 50 %n’ ny taniny.
Rosiana ny 30 %n’ ny mponina any Estônia.
Ny Esta no vahoaka voalohany nonina tao amin’ ny faritra misy an’ i Estônia nanomboka tamin’ ny taonjato voalohany taor. J.K., araka ny fiazan’ ilay mpahay tantara atao hoe Tacite. Tsy dia misy zava-pantatra firy ny tantaran’ i Estônia hatramin’ ny fananiham-bohitra nataon’ ireo Danoà tamin’ ny taonjato faha-11 ka hatramin’ ny faha-14. Nifandimby nifehy an’ ilay faritra amin’ izay ny mpitaingin-tsoavaly Teotônika jermanika sy ny Liga Hanseatika ary ny Soedoà hatramin’ ny fiantombohan’ ny taonjato faha-18 any ho any. Nofehezin’ ny Rosiana i Estônia tamin’ ny taona 1721. Nipoitra tamin’ ny fiandohan’ ny taonato faha-20 ireo hetsika mpanindrahitra tanindrazana. Nahazo ny fahaleovan-tenany ilay firenena tamin’ ny taona 1917 nefa lasa repoblika sôsialista sôvietika (tamin' ny Firaisana Sôvietika) hatramin’ ny taona 1991 izay nahazoany indray ny fahaleovan-tenany ka nanaovany lalàm-panorenana vaovao sady nidirany tao amin’ ny Firenena Mikambana. Niditra ho mpikambana tao amin’ ny Vondrona Eorôpeana i Estônia tamin’ ny 1 Mey 2004.
Nosy
[hanova | hanova ny fango]Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Firenena ao Eorôpa
Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
Firenena Baltika
[hanova | hanova ny fango]Kôntinenta eto an-tany