Aller au contenu

Bôsnia-Herzegôvina

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Bôsnia sy Herzegôvina
Sarin-tany maneho an' i Bôsnia-Herzegôvina ao Eorôpa

I Bôsnia-Herzegôvina na Bôsnia sy Herzegôvina dia firenena ao Eorôpa Atsimo, ao amin’ ny Saikanosy Balkanika. I Sarajevo no renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 51 197 km2 ny velaran-taniny ary miisa 3 839 737 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2011. Ny faritr'ora dia +1.

Be tendrombohitra ity firenena ity, izay ahitana an' i Maglic ao atsimo (manana haambo mirefy 2 387 m). Ao amin' ny faritra be horohoron-tany no misy an' ity firenena ity ka matetika iharam-pahavoazana noho izany.

Vahoaka isan-karazany no madrafitra ny mponina ao Bôsnia-Herzegôvina, ka ny Bôsniaka no betsaka indrindra (45 %), manaraka azy ny Serbiana na Serba (mihoatra kely ny 30 %), avy eo ny Kroatiana na Krôaty (15 %). Ny silamo sy ny kristanisma ôrtôdôksa ary ny katôlisisma no fivavahana be mpanaraka indrindra any.

Sarin-tanin' i Bôsnia-Herzegôvina

Repoblika tao amin' i Iogôslavia taloha i Bôsnia-Herzegôvina. Tamin' ny nanambaràna ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1995 dia voazara ho roa ilay firenena, dia ny Federasiôna Krôatô-Miozolmana, izay 51 %n' ny velaran-taniny, sy ny Repoblika Serbiana, izay 49 %n' ny velaran-taniny.

Firenena an-dalam-panarenana i Bôsnia-Herzegôvina ankehitriny satria ny ady tao Iogôslavia dia niteraka fandravana ny toekarenany. Taloha dia niroborobo ny taozava-baventy amokarana sy anodinana ny vy, ny vy anidina, ny tsỳ ary ny viraty, toy izany koa ny taozavatra momba ny simia, nefa rava ny ankamaron' ny fotodrafitrasa nenti-namokatra. Voafetra koa ny fahafaha-manao famokarana momba ny fambolena sy ny fiompiana noho ny vohon-tany mikintoana loatra: ny fiompiana ondry sy ny fitrandrahana ny ala no sehatr' asa mavesa-danja indrindra, ny famokarana voamadinika sy legioma ary voankazo no iompanan’ ny fambolena.  

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.