Iogôslavia

Avy amin'i Wikipedia
Fiovaovan' ny fizaràn-tanin' i Iogôslavia: ny Fanjakan' i Iogôslavia, ny Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Iogôslavia, ny Repoblika Federalin' i Iogposlavia

I Iogôslavia dia firenana tany Eorôpa Atsimo-Atsinanana izay nitondra anarana sy endrika samy hafa teo anelanelan' ny taona 1918 sy 2006. Hatramin' ny 1992 dia nanambatra ny firenena ankehitriny, dia i Slôvenia, i Krôasia, i Bôsnia-Herzegôvina, i Môntenegrô, i Serbia, i Makedônia Avaratra, ary i Kôsôvô, izay repoblika nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny 17 Febroary 2008 nefa tsy eken' ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

Nandritra ny Ady Mangatsiaka, i Iogôslavia, izay nisaraka tamin’ ny Firaisana Sôvietika, dia niavaka tamin’ ny fiandaniany amin' ny pôlitika tsy momba ny atsy na ny aroa, ary izy no hany fitondrana kôminista tany andrefan' ny Rindrina Vy. Noho izany dia tsy mpikambana tao amin' ny Dinan' i Varsovia velively ilay firenena ary nandray anjara tamin' ny fananganana ny Hetsika Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa i Iogôslavia sady nitazona ny pôlitikan' ny fisokafana manoloana an' i Eorôpa Andrefana, indrindra eo amin' ny lafiny ara-bola sy ny fifamoivoizan' ny olona.

Amin' ny teny serbô-krôaty izy dia atao hoe Jugoslavija sy Југославија, fa Jugoslavija kosa amin' ny teny slôvena, ka midika hoe "tanin' ny Slava Tatsimo".