Aller au contenu

Fiteny slôveniana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny slôvena)

Ny fiteny slôveniana na fiteny slôvena dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny slava sady zana-bondron' ny fiteny slava atsimo, ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Olona miisa 2 000 000 any ho any no miteny azy, ka ny ankamaroany dia monina ao Slôvenia nefa misy koa ny any Aotrisy sy any Italia. Fiteny ôfisialin' i Slôvenia ny fiteny slôveniana sady anisan' ny fiteny ôfisialin'ny Vondrona Eorôpeana.

Nitahiry ny toetran' ny fiteny slava tranainy ny fiteny slôvena sady niharan' ny fomban' ny fiteny latina sy ny fiteny alemàna sy ny fiteny italiana ary ny fiteny friolàna. Ny 1/3n' ny voambolan' ny fiteny slôvena dia iraisany amin' ny fiteny serbô-krôatiana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]