Fiteny friolana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny friolana na fiteny frioliana, indraindray antsoina hoe fiteny ladina atsinanana, no fiteny miely patrana indrindra amin' ny vondrom-piteny retô-rômana ao amin' ny fiteny rômana (anisan' izany ny fiteny romantsa ihany koa). Atao hoe furlan ity fiteny ity amin' ny teny friolana ary friulano amin' ny teny italiana.

Any amin' ny faritra mizaka-tenan' i Friuli-Venezia Giulia any Italia (faritra Udine sy Pordenone ary Gorizia), any akaikin' i Slôvenia, ary any Veneto (Portogruaro, Agordino) no itenenana azy io, izay misy mpiteny miisa an-tapitrisany. Manana ny satan' ny fitenin' ny fitantanan-draharaha sy fanabeazana isam-paritra izy io. Ampiasaina ihany koa izy ho fitenin' ny literatiora. Saika miteny italiana avokoa ny mpiteny friolana. Ampiasaina any amin' ny famantarana amin' ny lalana mampiasa fiteny roa (friolana/italiana) koa ity fiteny ity. Izy no fiteny faharoa tenenin' ny vahoaka vitsy anisa any Italia.

Miteny azy koa ny any amin' ny faritra italiana hafa sy amin' izao tontolo izao, ampiasain' ny mpifindra monina tamin' ny taonjato faha-19 sy faha-20 sy ny taranak' izy ireo (Slôvenia, Krôasia, Romania, Soisa, Frantsa, Loksemborga, Belzika, Alemaina, Fanjakana Mitambatra, Aostralia, Zelandy Vaovao, Kanada, Etazonia, Venezoela, Brezila, Orogoay, Arzantina).

Nipoitra avy amin' ny fiteny latina tao Aquileia izy io, nifangaro amin' ny singa seltika, izay nampiana singa slava sy jermanika maro, noho ny fisian' ny vahoaka jermanika samihafa (Lômbarda, Gôty, Franka, Jermana) izay nifehy an' i Friuli nandritra ny 900 taona mahery.