Fiteny romantsa

Alemàna Romantsa Italiana
Ny fiteny romantsa (rumantsch) dia fiteny tenenina any Soisa. Heverina fa eo amin'ny enina alina eo ho eo no isan'ny olona miteny io fiteny io ; kely anefa izany isa izany raha oharina amin'ny isam-ponin'i Soisa, ka na dia izany aza dia manana sata teny ofisialy foana io fiteny io ao Soisa.
Ny faritra misy ny olona miteny ny fiteny romantsa dia ao amin'ny canton an'i Grisons. Anisan'ny teny ofisialin'io canton io ilay fiteny romantsa ary anisan'ny teny ofisialy ary tenim-pirenen'i Soisa.