Fiteny slava

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny fiteny slava dia ireo fiteny indo-eoropeana ao amin'ny vondrom-piteny balto-slava. Vondrom-pitenin'ny olona monina ao Eoropa afovoany sy ao Balkana sy ao Eoropa atsinanana sy ao Siberia ary ao amin'ny tapany farany atsinanan'i Rosia ary ao Azia afovoany.

Mizara fianakaviana telo ireo fiteny slava ireo, dia ny fianakaviam-piteny slava atsinana sy andrefana ary atsimo. Ny fiteny rosiana, ny fiteny bielorosiana, ny fiteny rotena na rosina ary ny fiteny okrainiana dia ao amin'ny fianakaviam-piteny slava tsinanana. Ny fiteny tseka, ny fiteny slovaka, ny fiteny soraba ary ny fiteny poloney sy ireo fiteny lesitika tahaka azy (fiteny kasoba, polaba, slovitsa ary silesiana) dia ao amin'ny fianakaviam-piteny slava andrefana. Ny fiteny serbo-kroata (fiteny kroata, bosniana, montenegrina, serba) sy ny fiteny bolgara, ny fiteny makedoniana ary ny fiteny slovena dia isan'ny fianakaviam-piteny slava atsimo.

Soratana amin'ny abidy latina nampiana mari-tsoratra ny fiiteny ao amin'ny fianakaviana andrefana. Ireo fiteny ao amin'ny fianakaviana atsimo dia soratana amin'ny abidy sirilika sy amin'ny abidy latina. Ny fiteny ao amin'ny fianakaviana atsinana dia soratana amin'ny abidy sirilika.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]