Fiteny bielôrosiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny bielorôsiana dia fiteny ao amin 'ny vondrom-piteny slava atsinanana ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Tenenina ao Bielôrosia (miaraka amin'ny fiteny rosiana izay manjaka amin' ny sehatra ara-panjakana an-tanan-dehibe), izay amanao azy fiteny ôfisialy, ny fiteny belarosiana. Miteny azy koa ny ao Pôlônia sy ny ao amin' ny vahoaka mpifindra monina (indrindra any Kanadà). Na dia fiteny ôfisialy mitovy amin' ny fiteny rosiana ao Bielôrosia ny fiteny bielôrosiana dia tsy faheno firy ao amin' ny tanan-dehibe. Ny fitondram-panjakana ankehitriny ao Bielôrosia amin' ny ankapobeny dia mihevitra azy ho fitenin' ny tambanivohitra tsy mananana ny lanjany afa-tsy amin' ny lafiny kolontsaina nentin-drazana.

Amin' ny fiteny bielôrosiana dia atao hoe беларуская мова / bielaruskaia mova) io fiteny io.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]