Abidy sirilika

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Ny abidy sirilika dia abidy slavy. Ankehitriny izy io dia ampiasaina amin'ny fanoratana ny teny rosiana, okrainiana, belarosiana, rusyn, biolgara,masedôniana ary ny fiteny serba-kroata. Io abidy io koa dia abidy voaterin'ny Firaisana Sovietika ampiasain'ny fiteny tsy slavy toa ireo teny tao Kaokazy, Siberia ry ny faritra avaratr'i Rosia.


а б в г д е ё ж з и й ј к л м н о п р с т у ф х һ ц ч џ ш щ ъ ы ь э ю я
а б в г д е ё ж з и й ј к л м н о п р с т у ф х һ ц ч џ ш щ ъ ы ь э ю я

Ny abidy sirilika dia noforonin'i Ohrid ary Clément tamin'ny taonjato fahasivy, izay nampianarin'ny moanina roa Kyrillos sy Methodios. Ny fototr'io abidy io dia ny abidy grika. Ny soratra glagôlitika no nampiasaina talohan'ny abidy sirilika.

Fampiasana ny abidy sirilika[hanova | hanova ny fango]

Ampiasaina amin'ny fanoratana ny fiteny slavy ny abidy sirilika. Indrindra indridra ireo foko slavy ôrtôdôksa (nampiasa ny abidy latina ny slavy katolika) :

Maro ihany koa ireo fiteny tsy slavy na indô-eoropeanina mampiasa ny abidy sirilika. Izy ireo dia matetika tenenina ao Rosia (teny odmorta, kanty, nenetsy, ôsety) ; misy ihany koa ireo teny tenenina any ivelan'i Rosia toa ny fiteny môngôly, kazàka, kirgizy, tajiky izay fiteny altaika ary tiorkiky.

Nosoratana tamin'ny alalan'ny abidy sirilika novaina ny fiteny romainina ; naharitra hatramin'ny taona 1918 izany fomba izany tao Besarabia. Ankoatra izany, tamin'ny 1940 hatramin'ny 1989 (ary hatrain'izao fotoana izao ao Transnistria), dia noteren'ny fahefana sovietika ary ny governemanta taorian'ny sovietika ny fampiasana ny abidy sirilika adika amin'ny soratra latina ao Moldavia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.