Fiteny kazàka

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
fiteny kazàka
Қазақ тілі, Қазақша
Qazaq tili, Qazaqşa

Isan'ny mpiteny 11,7 tapitrisa
Faritany Flag of Kazakhstan.svg Kazakstàna, Flag of Mongolia.svg Mongolia, Flag of Russia.svg Rosia, Flag of the People's Republic of China.svg Sina (Xinjiang)
Sata Velona
Kaodim-piteny kk
Soratra abidy latina (ofisialy any Kazakstana), abidy sirilika (ofisialy any Kazakstana), abidy arabo (ofisialy any Sina)


Ny fiteny kazàka (izay mety soratana hoe kazakh na qazaq) dia fiteny ao amin'ny vondron'ny fiteny tiorka. Ny fiteny kazàka no fiteny ofisialin'i Kazakstana miaraka amin'ny fiteny rosy. Ny toerana hafa itenenana ny fiteny kazàka dia ao amin'ny faritra mizaka tenan'i Xinjiang (Sina). Ny soratra ampiasaina anoratana ny fiteny kazàka dia ny abidy sirilika, ny abidy latian izay mitovitovy endrika amin'ny abidy latina ampiasain'ny fiteny tiorka, ary ny abidy arabo novaina (izay ampiasaina any Sina, any Iran, any Mongolia ary any Afganistana). Ao amin'ny abidy sirilika anoratana ny fiteny kazàka dia ahitana litera sivy fanampiny (Ә, Ғ, Қ, Ң, Ө, Ұ, Ү, Һ, І). Mitovy endrika amin'ny fiteny kirgiza ny fiteny kazàka.

Soratra[hanova | hanova ny fango]

Ny soratra ampiasaina amin'ny fanoratana ny fiteny kazàka dia ny abidy arabo voalohany indrindra ; nampiasaina ny abidy latina manomboka ny taona 1927, ary ny abidy sirilika no nampiasaina manomboka ny taona 1940. Tamin'ny taona 2006, naneho ny finiavany ny hiverina mampiasa ny abidy latian ny filoha kazàka Nursultan Nazarbaiev, fa ofisialy foana ny abidy sirilika[1].

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. ((fr)) L'alphabet cyrillique bientôt remplacé par le latin ?
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.