Oigoro (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Oigoro any Kashgar

Ny Oigoro na Oigora dia vahoaka torkika izay manikeana taloha ary mozilmana sonita ankehitriny, monina ao amin' ny faritra mizaka tenan' i Xinjiang (nantsoin' ny Rosiana sy ny Britanika hoe Torkestana Atsinanana tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 ary napetraka tao anatin' i Tartaria Sinoa) taloha tao Sina sy tao Azia Afovoany. Izy ireo dia iray amin' ny vahoaka enina amby dimampolo neken' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina fisiana. Mifandray amin' ny Ozbeka izy ireo.

Ny fiteny oigora, izay ao amin' ny fianakaviam-piteny torkika, no fitenin' izy ireo. Avy any amin' ny faritra eo anelanelan' i Selenga (any Môngôlia) sy ny farihy Baikal (ankehitriny Buryatia any Rosia) izy ireo, no nanorina ny Kaganata Oigora, any Môngôlia ankehitriny, izay nanana kolontsaina torkika sy ny nandray ny fivavahana manikeana, izay fototry ny sivilizasiônan' izy ireo. Niaraka tamin' i Sina hanohitra ny Empiran' i Tibeta izy ireo, noravan' ny Kirgizy ny kaganatany tamin' ny taonjato faha-9, izay nanery azy ireo hipetraka any atsimo kokoa.

Tombanana ho eo amin' ny 25 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny Oigora any Azia Afovoany, raha tombanana ho 12 tapitrisa ny any Sina. Araka ny Uyghur Human Right Project, miorina ao Washington, nanomboka tamin' ny taona 2014, nisy Oigora napetraky ny governemanta sinoa ao amin' ny toby fampihibohana.

Ny manikeisma dia niorim-paka sy nivelatra tany amin' ireo fanjakana oigora isan-karazany hatramin' ny faran' ny taonarivo voalohany. Ny kristianisma nestôriana, izay tonga tany Môngôlia sy Sina, dia nanan-danja hatry ny ela teo amin' ny Oigora. Tamin' ny taona 1289, ny khan môngôliana avy amin' ny ilkanatan' i Persia, Arghoun, dia nandefa ny moanina oigora nestôriana Rabban Bar Sauma ho masoivoho any amin' ny mpanjakan' i Frantsa Philippe IV le Bel  sy tany amin' ny mpanjakan' i Angletera Edward I, indrindraindrindra mba hanolotra fanafihana miaraka aminy hiadiana amin' ny Mamelòka. Mbola nisy episkôpata (na evesea) nestôriana ao Kashgar tamin' ny taonjato faha-14.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]