Kazàka (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Kazàka ao Kazakstàna ao amin' ny tendrombohitra Zailiysky Ala-Tau

Ny Kazàka dia vahoaka torkika monina indrindra ao Kazakstàna sy ny faritra amin' ny sisintaniny manamorona ny firenena mifanolo-bodirindrina aminy, indrindra fa i Rosia (ny faritra Astrakhan sy Orenburg), i Môngôlia (ny aimagan' i Bayan-Ölgii izay ahitana azy 90 % amin' ny mponina), i Ozbekistàna, i Kirgizsitàna ary i Sina (indrindra fa ny prefektiora kazàka mizaka tenan' i Ili). Ny fiteny kazàka sy ny fiteny rosiana no fitenin' izy ireo. Any amin' ny 13 tapitrisa ny isan' izy ireo maneran-tany.

Avy amin' ny vahoaka torkika sy ny vondrom-pokom-pirenana môngôliana tamin' ny Andro Antenatenany izy ireo, anisan' izany ny Argina, ny Dolata, ny Naimana, ny Jalaira, ny Kazara, ny Karloka, ary koa ny Komana; nisy vahoaka hafa koa nandray anjara tamin' ny fananganana ny vahoaka kazàka, toy ny Hona, ny Sarmatiana, ny Sakà ary ny Skitiana, izay nonina tany amin' ny faritra eo anelanelan' i Siberia sy ny Ranomasina Mainty teo anelanelan' ny taonjato faha-5 sy faha-13.

Tamin' ny taonjato faha-15 ihany no tena niforona marina ny kanata kazàka, izay fisehoan' ny vahoaka kazàka ara-pôlitika voalohany. Teo ambany fitondran' ny Rosiana tamin' ny taonjato faha-18 izy ireo, avy eo nampidirin' ny Firaisana Sôvietika ho ao miny tamin' ny taonjato faha-20, izany nisy fiantraikany lehibe teo amin' izy ireo, indrindra fa ny fiovan' ny fiteny sy ny kolontsaina. I Kazakstàna mahaleo tena, izay vahoaka kazaka ny ankamaroan' ny mponina kazakstaney, dia nanaraka ny pôlitikan' ny famelomana indray ny fomban-drazana kazàka nanomboka tamin' ny taona 1991, ary namerina an-tanindrazana ny ampahany amin' ny zanaka am-pielezana kazàka.

Ny kolontsaina kazàka, izay manam-piaviana torkika, dia nandray singa avy amin' ny silamo (fivavahan' ny maro anisa eo amin' ny Kazàka), avy eo avy amin' ny kolontsaina rosiana sy sôvietika. Na dia mazàna mihena aza izany fomba mampiavaka azy ireo izany amin' izao fotoana izao, ny firafitry ny fiarahamonina dia mifototra amin' ny fokom-pianakaviana, ary ny ankamaroan' ny Kazàka dia anisan' ny iray amin' ireo zhuz telo (Ūly zhuz, Orta zhuz, Kışı zhuz).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]