Môngôly (vahoaka)
Ny Môngôly amin' izao fotoana izao dia vahoaka monina indrindra ao atsinanana amin' i Azia Afovoany sy any Sina ary any Siberia, miteny ny iray amin' ny fiteny altaîka. Efa tamin' ny taonjato faha-11 nisian' ny fiteny môngôliana na môngôly.
Mizara ho foko maro mpifanandrina, izay indraindray voalamina ho kônfederasiôna ny Môngôly izay namorona firenena tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-13 teo ambany fitarihan' i Genghis Khan. Nandritra ny fitondran' i Genghis Khan dia nanangana tafika ka nanafika an' i Eorôpa any andrefana sy tany Sina any atsinanana izy ireo, ary tamin' ny farany dia namorona ny Empira Môngôly izy ireo, empira eoraziana midadasika dia midadasika. Ny taranak' i Genghis Khan dia nanjaka tamin' ny faritra midadasika any Sina, any atsinanan' i Azia, any Rosia, any Iràna ary any Torkia. Resy ny Môngôly tamin' ny farany.
Miisa 3 tapitrisa eo ho eo izao ny vahoaka môngôly, ka ny ankamaroany dia bodista, ny hafa manaraka ny samanisma. Matetika izy ireo no mbola mpifindrafindra monina, toy ny razambeny.