Gengis Khan

Avy amin'i Wikipedia
Gengis Khan
Ankapobeny
Anarana Gengis Khan
Teraka 1162
Maty 25 Aogositra 1227
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

I Gengis Khan dia mpitari-tafika môngôly, mpanao pôlitika, mpanita-panjakana sady emperora nanorina empira lehibe midadasika any amin’ ny sisin-tany atsinanan’ i Sina ka hatrany amin’ ny Ranomasina Kaspiana, dia ny Empira Môngôly, izay empira lehibe indrindra hatramin' izay, tombanana ho 33,2 tapitrisa km2 fara-fiitaran' ny velarany tamin' ny taona 1268 tamin’ ny fitondran' i Kublai Khan. Naharitra teo anelanelan' ny taona 1206 sy 1227 ny fanapahany. Taorian’ ny nahafatesany dia nanitatra be ny empira ny mpandimby azy izay mbola nitondra azy nandritra ny 150 taona mahery taty aoriana. Ny zafikeliny, Kublai Khan, no emperora voalohany tamin' ny tarana-mpanjaka Yuan tany Sina. Nametraka lalàna hiarovana  ny vehivavy sy hisorohana ny ady eo amin’ ny samy foko izy: ny fandrarana ny fakana an-keriny vehivavy, sy ny fivarotana vehivavy amin’ ny lehilahy hanambady azy, ary ny fandrarana ny fijangajangana, no fotopototry lalàna teo amin’ ny fanjakany.

Ny anarany sy ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Tantara Miafin’ ny Môngôly, ny anaran' i Gengis Khan tamin’ ny fahaterahany hoe Temüjin (sinoa: 鐵木眞; pinyin: Tiěmùzhēn) dia avy amin’ ny lehiben' ny Tatara atao hoe Temüjin-üge izay vao avy nosamborin' ny rainy. Ny anarana hoe Temüjin koa dia ampitovina amin' ny teny tiorka-môngôly hoe temürči(n), "mpanefy", ary misy lovantsofina iheverana an' i Gengis Khan ho mpanefy.

Ny hoe Gengis Khan dia anaram-boninahitra midika hoe "mpitondra maneran-tany" izay maneho ny fampitomboana ny anaram-boninahitra hoe Khan izay efa nisy taloha ka nampiasaina hanondroana lohan' ny foko amin' ny teny môngôliana. Ny teny hoe "Gengis" ao amin' ilay anarana dia heverina fa avy amin'ny teny tiorka hoe tengiz, midika hoe "ranomasina", ka mahatonga ny anaram-boninahitra hidika ara-bakiteny hoe "mpanapaka amin' ny ranomasimbe", saingy takarina kokoa ho toy ny fanoharana ny maha anjiaby na ny maha manontolo ny fitondran' i Temüjin, araka ny fomba fijery môngôly.

Rehefa nanangana ny tarana-mpanjaka Yuan i Kublai Khan tamin' ny taona 1271, dia nataony tao amin' ny firaketana ôfisialy ny raibeny Gengis Khan ary nomeny azy ny anaran' ny tempoly Taizu (sinoa: 太祖) sy ny anaran-tahîna (aorian’ ny fahafatesana) hoe Emperora Shengwu (sinoa: 聖武)皇帝). I Gengis Khan dia nantsoina koa hoe Yuan Taizu (Emperora Taizu an' i Yuan; sinoa: 元太祖) ao amin' ny tantara sinoa. I Külüg Khan taty aoriana dia nanitatra ny anaram-boninahitr' i Gengis Khan ho Emperora Fatian Qiyun Shengwu (sinoa: 法天啟運聖武皇帝).

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

Teraka tamin' ny taona 1162 i Gengi Khan (tao akaikin' ny Tendrombohitra Burkhan Khaldun, tsy lavitra an' i Ulan Bator renivohitr' i Môngôlia ankehitriny), ary maty tamin' ny Aogositra 1227

I Yesugei no rainy. Ny vadiny dia i Börte, i Khulan, i Gunibiesu, i Yesui, i Yesugen, ny andriambavy hahe, ny andriambavy Qiguo. Ny zanany dia i Jochi, i Chagatai Khan, i Ögedei Khan, i Tolui, i Wuluchi, i Alahaibieji, i Tümelün, i Checheyikhen, i Yeli'andun, i Aletalun, i Huochenbieji, i Kuoliejian, i Chawuer, i Shuerche, i Alakhai Beki, ary i Alaltün. Ny iray tampo aminy dia i Temulin, i Qasar, i Hachiun, i Temüge, i Behter, ary i Belgutei.

Mpanorina sy mpanitatra ny fanjakana môngôly[hanova | hanova ny fango]

Mpanorina[hanova | hanova ny fango]

Teraka tany akaikin’ ny Farihy Baikal (any Rosia ankehitriny) i Temüjin, izay fantatra amin’ ny anarana hoe Gengis Khan, zanak’ i Yesugei Ba’atur, izay voalaza fa lehiben’ ny foko matanjaka iray tany atsimo amin’ i Môngôlia. Kamboty mbola kely i Temüjin izay, teo amin' ny faha-15 taonany, nanompo an' i Toghril Khan, lehiben’ ny Kereita.

Nampiseho fahaiza-manao ara-miaramila mialoha ny fotoana izy, izay nandresy ny Naimàna sy ny Merkita ary ny Tatara, ary namory foko maro, izay nifidy azy ho andriamanjaka. Avy eo izy dia nivadika nanohitra an' i Jamuqa, lohan’ ny ny fikambanan’ ny foko maro izay nankahala azy, ary nanohitra koa an' i Toghril Khan: nalainy ho azy  ny tanin’ ny Kereita tamin' ny taona 1203 ary nampamonoiny i Jamuqa tamin' ny taona 1205.

Tamin' ny taona 1206 i Temüjin dia nanao ny tenany ho tompon' i Môngôlia saika manontolo. Tamin’ io taona io ihany, nandritra ny fiaraha-misakafo nampivondrona ny lohan’ ny foko rehetra, dia nanambara ny tenany ho "Gengis Khan" izy, lehiben’ ny foko môngôly sy ny foko tatara maro natambany, ary nanangana ny Fanjakana Môngôly sy nifidy ny tanànan' i Karakorom ho renivohiny.

Fanitaran-mpanjakana tany Atsinanana Indrindra[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka ny fakany ny tanin’ ny fanjakà-mpanjaka manodidina ny empirany ilay khan, nanomboka tamin' ny faritra avaratra amin' i Sina izany. Tamin' ny taona 1209 dia nampanaiky ny fokon' ny Ksi-Ksia tao Gansu izy ary, tamin' ny taona 1211 dia nanafika, tany atsimo sy tany andrefana, faritra nofehezin' ny tarana-mpanjaka Jin (na Tsin) an' ny Djurchets (1115-1234) izy. Tsy maintsy nampifanaraka ny paikadiny amn’ ny zava-misy sy nanao ady misy fahirano izy avy eo. Tsy nijanona izany raha tsy tonga any amin' ny Saikanosin’ i Shantung. Tamin’ ny taona 1215, dia azon' ny tafika notarihiny ny tanànan' i Yanjing (i Pekin ankehitriny), ilay tanàna mimanda farany an’ ny Jin sy renivohiny lehibe, izay norobainy nandritra ny iray volana. Tamin' ny taona 1218, ny Saikanosy Kôreana dia lasan' ny Môngôly.

Tamin' ny taona 1217 i Gengis Khan dia nanana andian-tafika sinoa nampiasa tafondro izay nentiny nandresy ny tanàna mimanda maro tsy dia voalamina tsara sy tsy dia manam-piadiana maro mihoatra ny an' i Sina. Nankininy amin' ny iray amin' ny mpanara-dia azy, atao Muqali, ny fanohizana ny fanafihana hakana an' i Sina, fa izy kosa nanokana ny tenany ho amin' ny faritra andrefana.

Fanitaram-panjakana tany Azia Afovoany[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1219, noho ny famonoana ny iraka avy amin' ny empirany - nisy mpivarotra silamo vitsy mantsy niasa ho mpiantoka ny fifandraisana amin' ny fanjakana hafa - dia nanafika an' i Khorezm i Gengis Khan, izay empira tiorka midadasika nahafaoka ny tanim-pirenen' i Iràna sy Iràka amin' izao fotoana izao. ary ny tapany andrefana amin’ i Torkestàna.

Nandroba sy namono izy, ary niditra an-tsokosoko tao Torkestàna sady nandrava, niaraka tamin' ny tafika nentiny, an' i Otrar (1219), an' i Bukhara (1220), an' i Samarkand (1220) ary an' i Urgench (1221), ka nahatonga azy halaza ratsy ho mpanao habibiana tafahoatra.

Tany amin’ ny faritra avaratra amin’ i India sy i Pakistàna ankehitriny, dia resin’ ny Môngôly ny tanànan’ i Peshawar sy ny tanànan’ i Lahore ary ny tanàna ambanivohitra manodidina. Nandritra izany fotoana izany, ny jeneraly roa Jebe sy Subutaï dia nitarika diabe fanafihana tamin' ny 1222, amin’ ny nanodidina ny Ranomasina Kaspiana. Nodorany ny tanàna ary novonoiny ny mponina tao amin’ ny faritra manomboka amin' ny ony Volga ka hatrany amin' ny ony Dnieper, ary avy any amin' ny Hoala Persika ka hatrany amin' ny Ranomasimbe Arktika.

Tamin' ny taona 1226 dia niverina any atsimo i Gengis Khan mba hampitsahatra ny fikomian' ny Ksi-Ksia, saingy maty tamin' ny 18 Aogositra 1227 izy, angamba noho ny fianjerany avy amin’ ny soavaly nitaingenany. Rehefa maty izy dia nizara tamin’ ny zanany telo lahy ny Empira Môngôly.

Fomba fijery an' i Gengis Khan[hanova | hanova ny fango]

Fomba fijery tsara[hanova | hanova ny fango]

Ny halehiben' ny voninahitry ny khan amin' ny maha mpitarika miaramila azy, izay noporofoin' ny fandreseny, dia niankina amin' ny fahaizany nanao fandaminana, niankina amin' ny fisian’ ny fifehezana sy ny fahamora baikoina ny tafiny izay mpitaingin-tsoavaly be herim-po sy manam-paharetana ary mpandefa zana-tsipìka mahay. Ity lehiben' ny Môngôly ity koa dia mpitarika malina, izay nahatsapa ny lanjan’ ny manam-pahaizana bodista sy nestôriana nanodidina azy tamin’ ny fanorenana governemanta sy ny fitantanan-draharaha; voalamina tsara sy nanjakan’ ny fandriam-pahalemana ny fanjakany.

Fomba fijery ratsy[hanova | hanova ny fango]

Na izany aza dia nampiseho toetra feno habibiana tsy manam-petra tamin' ny mpifanandrina aminy sy tamin' ny fahavalony izy, amin' ny fandripahana izay nataony fitaovana mahazatra amin’ ny fanitaram-panjakana. Tsapa lavitra taorian’ ny nahafatesany ny akon’ ny fananiham-bohitra nataon' i Gengis Khan. Nitera-pahavoazana tamin’ ny sivilizasiôna sinoa sy mozilmana ny fananiham-bohitra nataony nefa nitera-boka-tsoa ho an' ny Tiorka-Môngôly sady nandray anjara tamin' ny fampiraisana an' i Azia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin' i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.