Ranomasina Kaspiana

Avy amin'i Wikipedia
Ny Ranomasina Kasmiana azo sary avy amin'ny satelita

Ny Ranomasina Kaspiana dia ranomasina ao Azia Andrefana ivarinan'ny ony Volga. Tsy mifandray amin'ny ranomasina hafa izy fa mitokana anaty tany, ka ao avarany ny stepan'i Azia Afovoany, ao andrefany sy ao atsimony ny tangoron-tendrombohitra ahitana an'i Himalaia sy i Alpa, izany hoe i Kaokazy sy Elbourtz. Ny firenena mifanefitra aminy i Kazakstàna ao avaratra atsinanana, i Torkmenistàna ao atsimo antsinanana, i Iràna ao atsimo, i Azerbaijàna ao atsimo andrefana, ary i Rosia ao avaratra andrefana. Miovaova arakaraka ny taona ny halaliny, nefa teo anelanelan'ny taona 1995 sy 2017 dia nihena hangana izany (miiba 6,72 sm/taona ny salany, izany hoe nihena 1,5 m tao anatin'ny 20 taona) noho ny fietona vokatry ny fihafanan'ny toetany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]