Kazakstàna
Қазақстан Республикасы ((kk)) | |||||
Qazaqstan Respublïkası kk | |||||
Республика Казахстан ru | |||||
Repoblikan'i Kazakstàna ((mg)) | |||||
| |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | Kazàka (fitenim-panjakana) Rosy (fiteny ofisialy) | ||||
Renivohitra | Nursultan 51°10′N 71°30′E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Almaty | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisirtra |
Repoblika Kassym-Jomart Tokayev Askar Mamin | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 9 2 717 300 km² 6,82 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2012) - hakitroka |
faha 60 17 522 010[1] mpo. 5,7 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Kazàka | ||||
Sandam-bola | Tengue (KZT )
| ||||
Faritr'ora | UTC +5 (andrefana) ary +6 (afovoany ary atsinanana) | ||||
Hiram-pirenena | Менің Қазақстаным (Meniñ Kazakstanım) («Kazakstanako») | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+7
|
I Kazakstana (na Repoblikan'i Kazakstana, amin'ny fiteny kazàka : Qazaqstan siril. Қазақстан, /qɑzɑqˈstɑn/; anarana lava : Qazaqstan Respublïkası, siril. Қазақстан Республикасы) dia firenena ao amin'ny faritra avaratr'i Azia afovoany. I Kazakstana dia faritanin'ny Fanjakana Rosy ary anisan'ny repoblika mpikamban'ny Firaisan'ny Repoblika Sosialista Sovietika taloha, ary nahaleotena tamin'ny taona 1991. Kazàka no anaram-ponina.
Ny renivohiny dia Astana ; ny fiteny kazàka no tenim-panjakana ary ny fiteny rosy no teny ofisialy.
Jeografia[hanova | hanova ny fango]
Amin'ny velarantaniny, i Kazakstàna no firenena fahasivy lehibe indrindra eto Tany. Ny halavan'ny sisintany zarainy amin'ny firenena manodidona azy dia 12 012 km. Manana amorontsiraka amin'ny ranomasina roa mihidy ilay firenena : ny ranomasina Kaspianina ary ny Ranomasin'i Aral. izay voazara roa.
Toe-karena[hanova | hanova ny fango]
Tohanan'ny solintany lafo vidy, ny taha fitomboan'ny PIB an'i Kazakstàna dia teo anelanelan'ny 8,9% sy 13,5% mandritry ny taona 2000 hatramin'ny taona 2007. Nohon'ny krizy ara-toe-karena izay nanana ny fiantraikany eto amin'izao tontolo izao dia nidina ho 1-3% fotsiny ny taha fitomboana tamin'ny taona 2008 sy 2009, ary nitombo indray nanomboka tamin'ny taona 2010[2] Ny entana hafa avoakan'i Kazakstàna dia ny varimbazaha, lamba ary biby velona.
Avo be ny tahan'ny fitomboan'ny vidim-piainana : mahery ny 6,2% isan-taona ny fitomboany isan-taona ary nahatratra hatrany amin'ny 18,8% izy tamin'ny taona 2008.
Tamin'ny taona 2002, i Kazakstana no firenena voalohany indrindra izay avy amin'ny Repolika Sovietika taloha izay nandoa ny trosany tamin'ny FMI.
Fiteny[hanova | hanova ny fango]
Raha mila mahay miteny kazàka ny tena vao afaka manao depiote, ny fiteny rosy no fiteny ampiasaina inrindra eny amin'ny tanàna, indrindra indrindra any avaratra izay ahitana ny ankamaroan'ny olona slava.
Tsiahy[hanova | hanova ny fango]
|