Fianakaviam-piteny altaika

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Fitsinjarana ankapoben'ny fiteny altaika amin'ny erana misy azy

Ny fiteny altaika dia fianakaviam-piteny tenenina ao Eorazia, hatrany Torkia sy Moldavia ka hatrany Azia Atsinanana, mandalo an'i Azia Afovoany, an'i Siberia ary any amin'ny faritra farany atsinanana ao Rosia. Isan'io fianakaviam-piteny io ireo fiteny torkika sy ireo fiteny tongoza, ary koa ny fiteny koreana sy ireo fiteny japonika. Avy amin'ny anarana hoe Altay izay anaran'ny tandavan-tendrombohitra ao Azia Afovoany, izay mitsinjara amin'i Sina sy i Kazakstàna sy i Mongolia ary i Rosia, ny hoe altaika.

Mifanaraka ny mpahay teny amin'ny fisian'ny teoetra iombonan'ireo fiteny ao amin'ity fianakaviam-piteny ity, izay mahakasina ny fanasokajiana ara-drafitra sy ara-boambolana, nefa tsy mifanaraka amin'ny fanazavana azo omena ny amin'izany. Tamin'ny taonjato faha-19 dia noheverina fa tarana-piteny iray razana ireo fiteny ao amin'ny fianakaviam-piteny altaika ireo. Tamin'ny antsasany faharoa tamin'ny taonjato faha-20 anefa dia nihevitra ny mpahay tany maro fa izany fifanahafana izany dia vokatry ny fifampikasoan'ny mpiteny ireo fiteny ireo nandritra ny tantara, izay mety niteraka fifampidramana toetra: ny fiteny altaika dia mety vondrom-piteny ara-jeografia tany aloha. Mitohy izany tsy fitovoan-kevitry ny mpahay teny izany hatramin'izao.

Ny fiteny ao amin'ny fianakaviam-piteny altaika[hanova | hanova ny fango]

Ny fitsinjara'ireo fiteny altaika. Manga: fiteny torkika; mena: fiteny tongoza; mavo: fiteny koreana; vollomparasy: fiteny japonika; mena antitra: fiteny aino

Amin'ny hevitra mifintin'ny alaran'ilay fianakavioam-piteny dia mahafaoka vondrom-piteny (na sampam-piteny) telo izany, dia

  • ireo fiteny torkika toy fiteny torka ao Torkia, ny fiteny azery (na azerbaijaney), ny fiteny torkmena, ny fiteny kazàka, ny fiteny kirgizy, ny fiteny tatara, ny fiteny ozbeka, ny fiteny oigoro, ny fiteny tovàna, ny fiteny iakoty, ny fiteny tsovasa, sns.
  • ireo fiteny mongolika toy ny fiteny kalka, ny fiteny tsakara, ny fiteny oirata, ny fiteny kalmoka, ny fiteny boriata, ny fiteny daora, sns.
  • ireo fiteny tongoza toy ny fiteny evenky, ny fiteny evena, ny fiteny negidala, ny fiteny odihe, ny fiteny orotsa, ny fiteny nanay, ny fiteny mandtso, sns.

Efa nanomboka amin'ny taona 1960 no nieritreretan'ny mpahay tehy ny hanakambana ny fiteny koreana sy ireo fiteny japonika (ahitana ny fiteny japoney sy ny fiteny riokio) amin'ny fianakaviam-piteny altaika. Ny fiteny aino (izay notenenina tao Hokkaido sy Sakhalina ary ao amin'ireo nosy Korila) dia indraindray ampifanakaikezina amin'ny fiteny altaika, nefa heverin'ny maro fa fiteny manirery izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny lehibe[hanova | hanova ny fango]

Vondrom-pianakaviam-piteny[hanova | hanova ny fango]