Fiteny japôney

Avy amin'i Wikipedia
Fiteny japôney
日本語 (Nihongo)

Isan'ny mpiteny 125 tapitrisa (2010)[1]
Faritany Japana
Sata


Ny fiteny japàney dia fiteny any Japàna, tenenin' ny vahoaka japôney. Na dia izany aza dia tsy misy lalàna manome sata ôfisialy io fiteny io, na dia izy no anoratana ny tahirinkevitra ôfisialy sy any am-pianarana. Miteny japôney koa ny Japoney am-pielezana (indrindra ny any Brezila sy any Però, izay ahitana vahoaka japôney miorim-ponenana miteny io fiteny io, toa ny ao Lima sy ny ao Sao Paulo), ary manana ny satan' ny fiteny ôfisialy izy ao amin' ny nosin' i Angaur ao amin' ireo nosy Palaô na dia tsy tenenina ao intsony aza.

Amin' ny teny japôney dia atao hoe 日本語 / nihongo ny hoe "fiteny japôney" (日本 : "Japana"; 語: "fiteny") na 国語 / kokugo ("fitenim-pirenena").

Ao amin' ny fianakaviam-piteny japônika ny fiteny japôney. Nandritra ny tantara dia mihabetsaka ny voambolana ampiasaina ao amin' io fiteny io noho ny findramana teny samihafa: avy amin' ny fiteny sinoa, avy amin' ny fiteny eorôpeana, indrindra ny fiteny anglisy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. Nationalencyklopedin "Världens 100 största språk 2010" The World's 100 Largest Languages in 2010