São Paulo
23°32′51″S 46°38′10″W / 23.547500°S 46.636110°W
São Paulo
| |||
| Velarantany | 7,947 km2 | ||
| Haavo | |||
| Isan'ny mponina | 19,889,559 | ||
| Renivohitra | - | ||
| Ben'ny tanàna | Ricardo Nunes | ||
| Firenena | |||
| Fanjakana | |||
| Faritany | Sao Paulo | ||
| Faritra | |||
| Tanàna mifanolo-bodirindrina | |||

São Paulo (izay tononina hoe /sɐ̃w̃ 'paw.lu/ araka ny abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena) (Masindahy Paoly amin'ny teny malagasy) dia tanàna ngeza indrindra any Brazila, any atsimo atsinanany. Izy no renivohi-paritan'ny faritany mizaka-tenan'i São Paulo ary anivo ara-bola, ara-barotra ary ara-indostria any Amerika Latina.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Fananganana ny tanàna
[hanova | hanova ny fango]
Ny tanànan'i São Paulo de Piratiniga dia tanàna voaforona ny 25 Janoary 1554 tamin'ny fananganana kolejy, kolejy izay natsangana pretra jezoita roa ambin'ny folo, miaraka amin'i Manuel da Nóbrega sy José de Anchieta, eo tampon'ny tendrombohitra anelanelan'ny renirano Anhagabaú sy Tamanduateí. Ilay kolejy, izay trano tsotsotra vita tany, dia nanana tanjona ny hamadika ny teratany izay niaina tao amin'ny faritra manodidina ho kristianina, ilay vohitra natsangana dia voasaraka ny ranomasimbe Atlantika amin'ny tendrombohitra Sierra do Mar.
Ny anarana São Paulo dia anarana nosafidiana satria ny andro nananganana ny kolejy dia ny 25 Janoary, izany hoe andro ankalazana ny fivadihan'ny apostoly Paoly avy any Tarsa ho kristianina, araka ny lazain'ny mompera José de Anchieta ao anatin'ny taratasy ho an'ny mpaniraka azy ao amin'ny Kaompanian'i Jesoa :
« Ny 25 Janoary ny taonan'ny tompo faha 1554, dia ankalazanay – ato anaty tranokely mahantra – ny lamesa voalohany, nny andro nivadihan'ny apostoly Masindahy Paoly, ary, noho izany, ho amin'ny anarany ity ny trano ity. »
Toekarena
[hanova | hanova ny fango]I São Paulo, izay foiben'ny toekarena ao Brezila sy Amerika Latina, dia mirehareha amin'ny karazana indostria sy varotra rehetra, anisan'izany ny fiara, ny fiaramanidina, ny elektronika ary ny metallurgia. Saika ny orinasa lehibe rehetra eran-tany dia manana foiben-toerana ao São Paulo, na hivarotra eny an-tsena breziliana na hamokatra any Brezila ho an'ny fanondranana. Manodidina ny antsasaky ny mpiasa no miasa amin'ny sehatry ny serivisy, ary ny ambiny kosa miasa amin'ny indostria sy ny varotra.
Ny tanàna no misy ny Bovespa sy BM&F, ny tsena ho avy sy ny entana, ny BM&F Futures and Commodities Market.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Category:São Paulo |