Fianakaviambem-piteny nizerô-kôngôley

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley)
Aller à la navigation Aller à la recherche
Niger-Congo map.png

Ny fiteny nizerô-kôngôley na fiteny nizer-kôngô dia vondrom-pianakaviam-piteny afrikana maro mpiteny indrindra sady miparitaka amim-beleran-tany midadasika indrindra. Ny ankamaroan' ny fiteny afrikana dia ao amin' io fianakaviam-piteny io, izay ahitana fiteny miisa 1 525, izany hoe 21%n' ny fiteny maneran-tany, ka izy no mitana ny laharana voalohany raha ny isan' ny fiteny ao aminy no heverina. Olona miisa 459 000 000 any ho any no miteny nizero-kongoley, izany hoe ny 7 %n' ny mponina maneran-tany, ka ny antsasaky ny isan' ireo fiteny ireo dia tenenin' ny olona miisa tsy latsaky ny 29 000 isaky ny fiteny avy. Miavaka ny fiteny nizero-kongoley amin' ny fisian' ny kilasin'anarana. Isan' ny fiteny nizerô-kôngôley, ohatra, ny fiteny iôroba sy ny fiteny igbô sy ny fiteny oôlôfo ary ny fiteny soahily.

Mizara fianakaviam-piteny 15 ny vondrom-pianakaviam-piteny nizerô-kôngôley, dia

  • ny fianakaviam-piteny kro.
  • ny fianakaviam-piteny senofô, ka isan' izany ny fiteny sebaara, ny fiteny mamara ary ny fiteny sopiire.
  • ny fianakaviam-piteny gora, isany ny fiteny more.
  • ny fianakaviam-piteny adamaoa-obangiana, isany ny fiteny momoie.

Marihina fa mbola azo avondrona anaty vondrom-piteny tao hoe fiteny atlantika-kôngôley ny fianakaviam-piteny lafofa, talody-heibàna, atlantika, kro, senofo, gora, adamaoa-obangiana, koà, voltaika-nizeriana ary benoe-kongoley. Azo avondrona ao amin'ny atao hoe fiteny voltaika-kongoley koa ny fianakaviam-piteny kro, senofo, gora, adamaoa-obangiana, koà, voltaika-nizeriana ary benoe-kongoley.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny ao Afrika:[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny lehibe[hanova | hanova ny fango]

Vondrom-pianakaviam-piteny[hanova | hanova ny fango]