Fiteny bambarà
Ny fiteny bambara dia iray amin' ny fitenim-pirenena ao Malỳ. Izy no fiteny nibeazan' ny ankamaroan' ny mponina ao amin' io firenena io (46 %) sy fiteny be mpiteny indrindra (82 %). Ao amin' ny fianakaviam-piteny mande ny fiteny bambarà, izay ao amin' ny vondrom-piteny mandinga izay ahitana (ankoatra ny fiteny bambarà) koa ny fiteny diola ao Kôtidivoara sy ao Borkina Fasô, ny fiteny mandinka ao Senegaly sy Gambia, ary ny fiteny maninka atsinanana ao Ginea. Ampiasaina ho fiteny ifaneraseran' ny mponina amin' ny faritra maro sy amin' ny raharaham-barotra ao Afrika Andrefana ny fiteny bambarà.
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Fiteny be mpampiasa ao Afrika[hanova | hanova ny fango]
Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.