Fiteny sômaly

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny sômaly dia fiteny hamitô-semitika ao amin' ny fianakaviam-piteny kositika. Olona miisa 16 600 000 any ho any no miteny sômaly, indrindra ao amin' ny Tandrok' i Afrika. Amin' ny fiteny sômaly izy dia atao hoe اف سومالى / Af-Soomaali sady tononina hoe [æf sɔːˈmɑːli]. Fiteny ôfisialin' i Sômalia ny fiteny sômaly miaraka amin' ny fiteny arabo. Manana ny satan' ny fitenim-pirenena ny fiteny sômaly ao Jibotỳ. Maro ny endrika isam-paritry ny fiteny sômaly, ka ny ankamaroany dia tsy manamora ny fifankahazoam-piteny amin' ny samy mpitany sômaly. Ankoatra izany dia misy vondrona izay heverina fa isan' ny vahoaka sômaly dia miteny na niteny fiteny banto.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny be mpampiasa ao Afrika[hanova | hanova ny fango]

Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.