Fiteny soahily

Avy amin'i Wikipedia
Soahily
Kiswahili

Isan'ny mpiteny 50 tapitrisa (L1+L2)
Faritany Afrika Atsinanana
Sata Teny ofisialin'i  Tanzania,  Kenia,  Komaoro,  R.D. Kongo,  Oganda ary ny Vondrona Afrikana
saritan'ny firenena miteny soahily
saritan'ny firenena miteny soahily
Soahily.

Ny fiteny soahily (amin' ny fiteny soahily: kiswahili) dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny banto izay tenenina ao Afrika Atsinanana, izay manafangaro teny afrikanina sy fiteny arabo.

Ao amin' ny teny soahily dia ahitana fiovaovàna araka ny faritra itenenana azy. Ny atao hoe "fiteny soahily ôfisialy", izay fampiasa ao Kenia sy ao Tanzania ary ao Oganda dia teny soahily atsinanana, ary ny teny soahily tenenina any Oganda sy any amin' ny tapany atsinanan' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia fiteny soahily andrefana. Ao Kenia indray dia ahitana ny teny soahily mifangaro amin' ny teny anglisy izay antsoina hoe "sheng". Io fomba fitenenana soahily io dia ampiasain' ny tanora matetika eny amin' ny tanàn-dehibe.

Na dia izany aza, mifankahazo avokoa ny mpiteny soahily amin' ny alalan' ny teny soahily ôfisialy.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Fiaviana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny soahily ("fitenin' ny olona amorontsiraka") dia fiteny banto manana voambolana maro dia maro avy amin' ny fiteny arabo, noho ny fifandraisan' ny mponina tompontany amin' ny Arabo mpivarotra mandalo eo amin' ny morontsirak' i Zanj, misy voambolana avy amin' ny fiteny persana, alemana, pôrtogey, anglisy ary frantsay koa ao amin' ny fiteny soahily.

Ankehitriny ny isan' ny mpiteny soahily dia mahery ny dimampolo tapitrisa izay miparitaka eraky ny faritra atsinanan' i Afrika: i Kenia, Tanzania, ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (tsy teny ôfisialy) ary i Kômôro. Teny ôfisialy ary tenim-pirenen' ireo firenena ireo ny fiteny soahily. I Oganda, firenena izay manana ny teny anglisy ho teny ôfisialy, dia mampianatra fiteny soahily nanomboka tamin' ny taona 1992, ary tamin' ny 2005 ilay fiteny dia lasa nivadika ho fiteny ôfisialy, mba hanomanana ny Federasiônan' ny Afrika Atsinanana. Mahay miteny soahily koa ny mponina mipetraka ao Kômôro sy Borondỳ ary Roanda.

Toerana itenenana soahily[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny ankapobeny, ny fiteny kisoahily dia fiteny bantò tenenina ao Afrika Afovoany sy aty Afrika Atsinanana. Ny firenena mampiasa azy amin' ny lafiny ôfisialy (izany hoe mampiasa ilay fiteny amin' ny lafin' ny fandrindrana na amin' ny lafin' ny fifandraisana amin' ny vahoaka) dia i Tanzania sy i Oganda ary i Kenia. Ampiasaina koa ny fiteny soahily any amin' ny tapany avaratr' i Môzambika sy amin' ny tapany atsinanan' i Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, fa tsy ôfisialy.

Endrika[hanova | hanova ny fango]

Feo[hanova | hanova ny fango]

Renifeo[hanova | hanova ny fango]

Zanapeo[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny be mpampiasa ao Afrika

Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra ilaina[hanova | hanova ny fango]