Môzambika

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Mozambika)
Aller à la navigation Aller à la recherche

18°58′00″S 44°14′00″E / 18.966670°S 44.233330°E / -18.966670; 44.233330

República de Moçambique ((pt))
Repoblikan'i Mozambika ((mg))
Sainan'i Mozambika Mari-piandriani' Mozambika
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Location Mozambique AU Africa.svg
Teny ofisialy Portogey¹
Renivohitra Maputo
Tanàna lehibe indrindra Maputo
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Praiminisitra
Repoblika
Filipe Nyusi
Carlos Agostinho do Rosário
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 36
801 590 km²
2,2
Isam-ponina
 - Tontaliny (2010)
 - hakitroka
faha 52
22 061 451 mpo.
27,5 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Mozambikana,
Mozambikanina
Sandam-bola Metical (MZM)
Faritr'ora UTC +2
Hiram-pirenena Patria Amada
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+258

Endrika:Notes pays

I Môzambika, na Repoblikan' i Môzambika, amin' ny fiteny pôrtogey dia Moçambique sy República de Moçambique, dia firenena ao Afrika eo amin' ny morontsiraka atsinanan' i Afrika. Ireo firenena mamaritra azy dia i Afrika Atsimo, i Soazilanda, i Zimbaboe, i Zambia, i Malaoỳ ary i Tanzania. Io firenena io dia zanatany pôrtogey taloha. Ankehitriny i Môzambika dia firenena mahaleotena miteny pôrtogey, faharoa amin' ny tontolo miteny pôrtogey amin'ny isan' ny mpiteny pôrtogey (aorian' i Brazila), ary fahatelo amin' ilay tontolo pôrtogey amin' ny velarantaniny (aorian' i Angôla).

Ankehitriny i Môzambika dia firenena mpikambana ao amin' ny Fikambanan'ny firenena miteny pôrtogey ary firenena mpikambana amin' ny Fikambanana Iraisam-pirenen' ny Frankôfônia.

Nandalo tao amin' ny faritra misy an' i Môzambika ankehitriny i Vasco da Gama tamin' ny 1498, fandalovana azontsika vakiana ao amin' ny tononkalo Os Lusíadas ; nanomboka nozanahan' i Pôrtogaly i Môzambika nanomboka tamin' ny taona 1505. Nahaleotena tamin'i Pôrtogaly tamin' ny 1975 i Môzambika ary lasa Repoblika Entim-bahoakan' i Môzambika taoriana. Nisy ady an-trano lehibe tao Môzambika nanomboka tamin' ny 1977 hatramin' ny 1992.

Ny anarana hoe Moçambique dia avy amin' ny anarana arabo Musa ben Mbiki; mpivarotra arabo izay tonga voalohany tao amin' ny Nosin' i Môzambika.

Ny toe-karen' i Môzambika ankehitriny dia mifototra amin' ny fambolena, asa mampiasa valopolo isan-jaton' ny mponina. Ny ankamaroan' ny vokatra azo avy amin' ny fambolena dia hanin' ny mpamboly azy. Ny lanjan' ny fambolena ao Môzambika amin' ny PIB dia 25 % monja ary anefa ny sampandraharaha mampiasa latsaky ny roapolo isan-jato dia milanja efa-polo isan-jaton' ny PIB. Mihoatra ny vola azo amin' ny famoahana entana mankany ivelany ny vola ilaina amin' ny fanafarana entana avy any ivelany, fa mihakely ny fihatahana. Mitombo ary manomboka milanja ny fidiram-bola avy amin' ny fizahantany, anefa izany mbola latsaky ny mbola mety vita. Nahakely ny fahantrana ao Môzambika ny fahaizana mitantana ny toe-karena amin' ny lafiny fanakelezana ny trosa ivelany ary ny fampiasana ny fahaizan' ny olona. Na dia nisy aza ny rivo-doza sy ny safo-drano tamin' ny fanombohan' ny taona 2000, na dia nihena 2,1% aza ny fitomboan' ny PIB, nitombo 7,9 % isan-taona ny PIB an' i Môzambika tamin' ny taona 2001-2010 araka ny gazetiboky the Economist sy ny FMI; mbola hitombo 7,7 % isan-taona ny PIB an' i Môzambika ho an' ny taona 2011-2015. Ary anisan' ny firenena mitombo haingana indrindra i Môzambika tamin' ny folo taona lasa teo ary ho an' ny dimy taona ho avy, mbola ho anisan' ny firenena folo hitombo haingana indrindra i Môzambika .

Ankehitriny, na dia misy ihany aza ny ezaka atao hanala ny fahantrana, mbola anisan' ny firenena mahantra indrindra i Môzambika araka ny nambaran' ny gazetiboky maromaro.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny Andro Antenatenany, betsaka ny fifanankalozana ataon' ny Arabo sy ny Persana ao amin' ny morontsiraka atsinanan' i Afrika ary ao amin' ny morontsiraka andrefan' i Indônezia. Kapiteny persana, Ibn Shahriyar, ao amin' ny bokiny Livre des merveilles de l'Inde dia nanoratra ny ny tantaran' ny mpivarotra Ibn Lakis tamin' ny 945 nahita "sambo arivo" nambaran' ny Waq-Waq avy amin' ny nosy eo alohan' i Sina" nitady entana ary andevo "zeng", teny arabo manondro ireo mponina amin' ny morontsiraka atsinanan' i Afrika.

Efa nivadika Miozolmana ny ankabeazan' ny mponina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan'i Kôngô - Repoblikan'i Afrika Afovoany - Repoblikan'i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe