Harin-karena faobe

Avy amin'i Wikipedia

Ny harin-karena faobe no tondro ara-toekarena ahafahana manombana ny totalin' ny sandan' ny "famokarana harena" isan-taona ataon' ny mpisehatra ara-toekarena (tokatrano, orinasa, fitantanan-draharaham-panjakana) monina ao anatin' ny tanim-pirenena iray. Ny harin-karena faobe no tondro lehibe amin' ny fandrefesana ny famokarana ara-toekarena ao anatin' ny firenena iray sady iray amin' ireo mpihazaka lehibe amin' ny kaontim-pirenena. Noho izany ny harin-karena faobe dia maneho ny asa ara-toekarena anatiny ao amin' ny firenena iray ary ny fiovan' ny harin-karena amin' ny vanim-potoana iray mankany amin' ny iray hafa dia heverina fa ahafahana mandrefy ny taham-pitomboan’ ny toekarena. Tsy mitovy amin' ny fidiram-bolam-pirenena faobe anefa ny harin-karena faobe.

Be mpitsikera io atao hoe "harin-karena faobe" io ka ny Komitin' ny Firenena Mikambana momba ny Fitanan-Kaonty ara-Tontolo Iainana sy ara-Toekarena (frantsay: Comité d'experts des Nations unies sur la comptabilité environnementale-économique  - UNCEEA) dia miasa hamaritana tondro iray izay mandinika ny fiantraika amin'ny tontolo iainana, dia ny harin-karena faobe maitso (frantsay: Produit intérieur brut vert) ary ny fametrahana ny (frantsay: Système de comptabilité environnementale économique - SEEA) ho fenitra iraisam-pirenena. ho an' ny taona 2010 ary hampiroborobo ny fampiharana izany any amin' ny firenena maro.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]