Aller au contenu

Tokantandroka

Avy amin'i Wikipedia
Tokantandroka indiana (Rhinoceros unicornis) ao amin' ny valan-javaboary Kaziranga
Tokantandroka javaney (Rhinoceros sondaicus)

Ny tokantandroka dia biby mampinono anisan' ny fianakaviana Rhinocerotidae, manana tandroka tokana eo ambonin' ny vatan' orony, mamorona ny vondron-karazana Rhinoceros. Roa ihany ny karazana mbola velona ao amin' ity vondron-karazana ity, dia ny tokantandroka javaney (Rhinoceros sondaicus) sy ny tokantandroka indiana (Rhinoceros unicornis), izay samy manana tandroka tokana, tsy tahaka ny rinôserôsy hafa izay manana tandroka roa, ary samy any Azia.

Ny vondron-karazana Rhinoceros dia ahitana:

  • Rhinoceros unicornis Linnaeus, 1758
  • Rhinoceros sondaicus Desmarest, 1822
  • Rhinoceros sivalensis Falconer sy Cautley, 1846
  • Rhinoceros platyrhinus Falconer sy Cautley 1847 izay atao hoe Punjabitherium Khan (1971) koa.
  • Rhinoceros sinensis Owen, 1870.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]