Fiteny tigrinia

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny fiteny tigrinia dia fiteny hamito-semitika isan'ny fianakaviam-piteny semitika sady tenenina indrindra ao amin'ny faritra avaratra atsinanana ao amin'ny Tandrok'i Afrika. Atao hoe : ትግርኛ / tɨɡrɨɲa io fiteny io amin'ny fiteny tigrinia. Izy no fiteny ofisialin'i Eritrea sy ny fanjakam-paritr'i Tigray ao Etiopia.

Misy mpiteny tigrinia miisa 4 320 000 ny ao Etiopia tamin'ny taona 2007, miisa 2 540 tao Eritrea tamin'ny taona 2006, ary 6 915 000 ny fitambaran'izy ireo maneran-tany. Matetika izy no atao fiteny faharoa, na ao Eritrea sy ao Etiopia, na any amin'ny faritra atsimo atsinana ao Sodàna Avaratra, sy any Jibotỳ, ka izany dia tsy ahalalana marina ny tena isan'ny mpiteny tigrinia.

Ny fiteny tigrinia, sahala amin'ireo fiteny hafa ao amin'ny Tandrok'i Afrika, dia soratana amin'ny alalan'ny abidim-baninteny gezy.