Fiteny goragea

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny fiteny goragea dia vondrom-piteny semitika atsimo izay isan'ny sampana semitikan'ny fianakaviam-piteny afroaziatika (na hamito-semitika). Atao hoe ጉራጌ / Guragē, io fiteny io amin'ny fiteny amharika. Ny vahoaka goragea monina ao amin'ny Faritra Goragea (izay ahitana foko maro dia maro ao atsimo andrefan'i Etiopia) no miteny goragea.