Fiteny afrikansa

Avy amin'i Wikipedia
Fiteny afrikansa
Afrika Atsimo

Isan'ny mpiteny
Faritany {{{faritany}}}
Sata Ofisialy:  Afrika Atsimo, Namibia


Ny fiteny afrikansa dia fiteny nisampana avy amin' ny fiteny neerlandey, tenenina ao Afrika Atsimo. Ny teny hoe afrikaans amin' ny fiteny neerlandey dia midika hoe "afrikanina". Ny mpiteny afrikansa dia ireo mpanjana-tany neerlandey tonga tany Afrika Atsimo, antsoina koa hoe Bôera (Boers), teny midika hoe "tantsaha" na "mpiompy" amin' ny fiteniny. Tsy ny fotsy hoditra fotsiny akory no miteny afrikansa fa ny safiotra ihany koa, indrindraindrindra ao amin' ny faritanin' i West Cape sy North Cape. Ao amin' ny sampam-piteny jermanika ny fiteny afrikansa.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Fiforonany[hanova | hanova ny fango]

Niova ny fiteny afrikansa rehefa nandeha ny fotoana, avy amin' ny fiteny neerlandey izay fitenin' ny fotsy hoditra voalohany tao Cape. Nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17, ny endriky ny fiteny nederlandey tenenina tany Cape dia niteraka fahasamihafana, indrindra amin' ny fandrafetan-teny, ary koa amin' ny fanononana sy amin' ny lantom-peo, ary, amin' ny lafiny kely kokoa, amin' ny fandrafetana fehezanteny sy ny voambolana, avy amin' ny an' i Nederlandy, na dia mbola mitovitovy ihany ny fomba fiteny ka nahafahana mifanakalo hevitra. Tsy ela ny voanjo tonga, izay niteny alemàna sy frantsay, dia nifindra ho amin' ny fampiasana ny fiteny neerlandey sy afrikansa tatỳ aoriana. Ny fizotry ny fiovan' ny fiteny dia nisy niharan' ny fiteny ampiasain' ny andevo, ny Kôikôy, ny olona samy hafa fiaviana, ary koa ny Malein' i Cape, ny Zolo, ny Britanika ary ny Pôrtogey.

Fahazoana sata ôfisialy[hanova | hanova ny fango]

Raha mbola mijanona ho fiteny ôfisialy ny fiteny neerlandein' i Nederlandy, ny fitenim-paritra vaovao, fantatra matetika amin' ny hoe "fiteny neerlandein' i Cape" na "fiteny neerlandey afrikana", na "fiteny neerlandein-dakozia", na taal (midika hoe "fiteny" amin' ny teny afrikansa), dia lasa fiteny mahaleo tena tamin' ny taonjato faha-19, ka napiasain' ny mpanoratra afrikaenera maro. Tamin' ny fanapahan-kevitry ny Antenimiera tamin' ny taona 1925, ny fiteny afrikansa dia nahazo sata mitovy amin' ny fiteny neerlandey ka lasa iray amin' ny fiteny ôfisialy roa (ny fiteny anglisy no faharoa) tao amin' ny Union of South Africa ("Firaisan' i Afrika Atsimo"). Ankehitriny, ny fiteny afrikansa dia ekena ho anisan' ny fiteny ôfisialy iraika ambin' ny folo ao Afrika Atsimo, ary izy no fiteny fahatelo be mpampiasa indrindra ao amin' io firenena io.

Fampianarana[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny volana Jona 2013 dia nampidirin' ny Departemantan' ny Fanabeazana Fototra ho fiteny afrikana tsy maintsy ianaran' ny mpianatra rehetra ny fiteny afrikansa. Ny fiteny afrikansa koa dia ampianarina any amin' ny oniversite maro ivelan' i Afrika Atsimo, anisan' izany ny any Nederlandy, ny any Belzika, ny any Alemaina, ny any Pôlônina, ny any Rosia ary ny any Etazonia.

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka fiteny ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny be mpampiasa ao Afrika