Fiteny amharika

Avy amin'i Wikipedia
Ny tavoahangy Coca-Cola soratana amin' ny teny amharika

Ny fiteny amharika dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny semitika tenenina any Etiôpia. Izy io dia fiteny semitika faharoa amin' ny lafiny isan' ny mpiteny, eo aorian' ny fiteny arabo. Io no fitenin' ny vahoaka Amhara. Noho ny pôlitika mikasika ny fiteny talohan' ny fahalatsahan' ny Defg dia ampiasain' ny ankabeazan' ny mponina any Etiôpia ilay fiteny, ary ny mpiteny azy dia na mampiasa azy amin' ny maha fitenin-dreny na maha fiteny faharoa nianarana na fiteny ampiasaina eny ivelany azy. Any Etiôpia dia fiteny ampiasaina amin' ny fandraharahana ny fiteny amharika.

Tsy manana sata ôfisialy intsony ny fiteny amharika nanomboka tamin' ny nampiharana ny Lalampanorenan' ny taona 1994, nanambara ny andininy faha 5-1 fa mitovy sata avokoa ny fiteny tenenina ao Etiôpia. Kanefa ny andininy faha 5-2 dia milaza fa teny fiasan' ny governemanta federaly ny fiteny amharika.

Any ivelan' i Etiôpia, ny fiteny amharika dia tenenin' ny mponina miisa 2,7 tapitrisa miaina any Ejipta, any Israely, any Jibotia, any Iemena, any Sodàna, na koa any Soeda (tenenin' ny mponina vitsivitsy, matetika avy any Etiôpia ny ankabeazan' izy ireo) na any Eritirea ho an'ireo izay mbola niaina tambanin' ny fandraharahana Etiôpiana talohan' ny taona 1993.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny soratra voalohany amin' ny teny amharika dia nosoratana tany amin' ny taonjato faha-13 tany ho any.

Fanoratana ny fiteny amharika[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny amharika dia soratana amin' ny alàlan' ny abogida avy amin' ny fiteny geezy.

Fafana maneho ny abgida anoratana ny fiteny amharika
ä u i a e ə o
h
l
h
m
s
r
s
š
q
b
t
č
h
n
ñ
ʾ
k
h
w
ʾ
z
ž
y
d
ǧ
g
t'
č'
p'
s'
s'
f
p

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny hamitô-semitika:

Fiteny be mpampiasa ao Afrika:

Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.

Fiteny etiôpika:

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.