Aller au contenu

Amhara (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Amhara

Ny Amhara dia vahoaka ao Etiôpia, monina any atsimon' ny Farihy Tana ary miteny amin' ny fiteny amharika, fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny semitika. Atao hoe አማራ / Amara izy ireo amin' ny teny amharika fa አምሐራ kosa amin' ny teny gezy. Ao amin' ny Faritra Amhara no tena ahitana azy ireo.

Miisa mihoatra 20 tapitrisa ny Amhara ary maherin' ny 20 % amin' ny mponina ao Etiôpiana, izy ireo no vondrom- poko ara-piteny faharoa lehibe indrindra ao amin' io firenena io tamin' ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2007 taorian' ny Ôrômô.

Faritra misy ny Amhara sy ny isany[hanova | hanova ny fango]

Ao Etiôpia no tena ahitana betsaka ny Amhara (izay miisa 20 600 000 ay ho any), nefa ahitana azy ireo koa ny any Etazonia (200 000), ny any Kanada (20 000), ny any amin' ny Fanjakana Mitambatra (10 000), ny any Aostralia (5 000) ary ny any Finlandy (2 000).

Kolontsaina[hanova | hanova ny fango]

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Miteny amharika ny Amhara, anisan' ny fiteny semitika ahitana mpiteny tombanana ho 17 528 500. Nisy fotoana naha fiteny ôfisialin' ny Etiôpia ny fiteny amharika (atao hoe amharinya). Io no fiteny ifadraisan' ny Etiôpiana rehetra. Ny fiteny amharika dia nampitambatra ny vahoaka mampiasa azy ary nanamafy ny fanjakazakan' izy ireo tamin' ny vahoaka hafa ao amin' io firenena io nandritra ny famerenana amin' ny laoniny sôlômôniana, tamin' ny taona 1270, nanomboka any amin' ny faritr' i Shoa, ao afovoan' i Etiôpia izay misy an' i Addis Abeba ankehitriny.

Ny fiteny hafa, toy ny fiteny anglisy, ny fiteny arabo, ny fiteny ôrômô ary ny fiteny tigrinia, dia ampiasain' ny Amhara ihany koa.

Fivavahana[hanova | hanova ny fango]

Ny fivavahana lehibe indrindra ao amin' ny Amhara nandritra ny taonjato maro dia ny kristianisma, izany hoe, raha ny marimarina kokoa, ny kristianisma ôrtôdôksa, amin' ny alalan' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana Teoahedo, izay manana anjara toerana lehibe eo amin' ny kolontsaina ao Etiôpia. Ity fiangonana ity dia manam-pifandraisana akaiky amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôptan' i  Aleksandria, ao Ejipta.

Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2007, dia Kristiana ôrtôdôksa etiôpiana ny 82,5 % amin' ny mponina ao amin' ny faritra Amhara; Mozilmana (indrindra ao amin' ny Faritra Wollo) ny 17,2 %, Prôtestanta ny 0,2 %, ary Jiosy etiôpiana (na Beta Israely) ny 0,5 %.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]